PolitikaSongadim-baovao

HETSIKY NY MPANOHITRA SY NY MPIARO NY ZON’NY MPANJIFA : « Tsy fanehoan-kevitra tsotra fa fanonganam-panjakana », hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo

Namaky bantsilana ny hetsika nokasain’ny avy amin’ny fanoherana sy ireo mitonona ho mpiaro ny zon’ny mpanjifa natao omaly ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo. Nambarany fa tsy fanehoan-kevitra tsotra fa efa fanonganam-panjakana mihitsy no tanjon’ireo mpitarika. Ny RMDM sy ny TIM rahateo efa nilaza ampahibemaso ny fakana fahefana mialohan’ny taona 2023, izay manaporofo ny fikasana hanongam-panjakana.

Zo fototra ary voasoratra anaty lalam-panorenana ny fitakiana sy ny fahafahana maneho hevitra ary ny fahafahana manana hevitra. Mbola nanamafy izany ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly, nandritra ny fandaharana nataony, saingy ilay hetsika mifono politika sy fikasana haka fahefana amin’ny filazana fa tsy mahandry ny amin’ny 2023, dia tsy azo ekena, hoy izy. Izany hoe tsy amin’ny alalan’ny fifidianana no hakana fahefana. Dikany, hanongam-panjakana. « Tranga » tsy azo iadian-kevitra izany, hoy ny fanazavany, satria izy ireo ihany no nilaza an’izany tao amin’ny fivoriana tao Bel’air, ny alarobia 08 desambra 2021 lasa teo, araka ny angom-baovao. Nandritra izany no nanambaran-dRavalomanana Marc sy ny mpitarika ny RMDM, Pasteur Edouard Tsarahame, ny hoe “Alaintsika amin’izay ny Fahefana.

Mazava ho azy, araka izany, efa tafiditra tanteraka tao anatin’ny paikady fanatanterahana an’io fakana fahefana io ny zava-niseho omaly. Izany hoe, niafina tao ambadiky ny anarana hoe mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny hetsika. Ny RMDM sy ny TIM ihany anefa ny tao ambadika. Voalaza ihany koa fa nisy mpitarika fivavahana roa niaraka tamin’izy ireo.  Tao anatin’izany fivoriana izany, araka ny nambaran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta hatrany, dia nivoitra ny hoe “dimy andro ihany dia mirodana ny Fitondrana raha toa ka tanteraka ny andro voalohany”. Izany hoe, hotohizana hatrany ny hetsika, na dia mbola nosantarina tamin’ny resaka mpiaro ny zon’ny mpanjifa aza taty am-piandohana, ary avy eo dia hipoitra tsikelikely amin’izay ireo etamazaoro politika rehetra.

“Avelao ny olona haneho hevitra”

Nitondran’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fanamarihana manokana ihany koa ny mahakasika ilay horonam-peo nataony tamin’ny taona 2016 izay miteny hoe “avelao ny olona haneho hevitra”. Tsorina, hoy izy, fa sasanangy 2 samy hafa mihitsy no hevitra ambarany sy ny zava-misy ankehitriny, ka dia iny no voizina entina ilazana hoe tsy mitazona ny teniny ny Fitondrana. Ny mpanohitra dia avela haneho hevitra tanteraka eto amintsika, hoy izy. Vao tsy ela no naneho hevitra tao amin’ny Magro izy ireo. Entina hilazana fa tsy manakana ny fanehoan-kevitra mihitsy ny Fitondram-panjakana. Ny hetsika manana tanjona fanonganam-panjakana kosa no tsy mety, hoy izy.

Tany misy fanjakana eto, ary mandray andraikitra tanteraka ny Fitondram-panjakana. Izany no tsy nampiakatra ny vidiny solika. Raha niakatra ny vidim-bary dia nanafatra vary ny Fitondram-panjakana, niakatra ny simenitra dia nandray andraikitra ny Fitondram-panjakana.Tamin’ny andron’ny Hery Rajaonarimampianina dia tsy nandray andraikitra toy izany ny Fitondrana, hoy izy.

Etsy ankilany, mba hiresahana ny fahasahiranan’ny vahoaka toy ny tsy fisian’ny rano, fahatapahan’ny jiro dia nasiana ny filankevitry ny Minisitra manokana, natao aorian’ny Filankevitry ny Minisitra mahazatra. Tsy mitombina araka izany, raha amin’izao fotoana izao no hisy an’izany fipoahana ara-tsosialy izany.

Fermer