PolitikaSongadim-baovao

HETSIKY NY MPANOHITRA TETSY TANJOMBATO : Nohajain’ny Fanjakana tanteraka ny fahafaha-maneho hevitra

Tsy misy afaka ny hilaza intsony fa tsy manaja Demokrasia ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Nomena alalana malalaka ny mpanohitra nanao hetsika. Nandritra ny tontolo andron’ny Sabotsy teo, tsy nisy sakantsakany natao mihitsy teny amin’ny toerana voalaza fa hanatanterahana ny hetsika. Niaro ny manodidina sy izay mety ho fihoaram-pefy no nataon’ny mpitandro filaminana. Fehiny, voahaja ny fahalalahana maneho sy ny Demokrasia.

Lazaina hatrany fa Fanjakana tsy refesi-mandidy no misy eto amintsika, Fanjakana manao didy jadona, tsy mandala ny fahalalahana maneho hevitra sy tsy mahazaka Demokrasia. Rehefa tena miaina ny zava-miseho eto Madagasikara anefa isika, hita fa ny mifanohitra tanteraka amin’izany no zava-misy. Manaja ny fahalalahana maneho hevitra ny Fanjakana. Nanaporofo izany ny hetsika izay notontosain’ny mpanohitra sy ny Miara-Manonja tetsy amin’ny Magro Tanjombato ny Sabotsy teo. Tsy idirana lalina aloha ny fahamarinan’ny zavatra rehetra voalaza nandritra ny hetsika, fa ny niaraha-nahita dia afaka naneho hevitra nalalaka izy ireo. Raha tsiahivina, nisy ny fangatahana nataon’izy ireo hanatanterahana ny hetsika teny Tanjombato, taorian’ny tsy nahafahana nanao izany tetsy Soamandrakizay noho ny antony maro samihafa, izay tsy niankina tamin’ny Fitondram-panjakana. Neken’ny Prefektioran’ny Polisy izany fangatahana izany. Ary iny afaka notanterahina malalaka iny ny hetsika.

Ny fanajana ny lalàna no fetran’ny Demokrasia”, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, raha tsiahivina. Entina hilazana fa tsy ny Fitondram-panjakana ankehitriny mihitsy no hanakana ny fanehoan-kevitra raha toa ka mbola ao anatin’ny fanajana ny lalàna sy ny fahafahan’ny hafa hatrany no hanatanterahina azy. Tsy misy antony tokony hanenjehana ny Fanjakana, noho izany, raha toa ka nosakanana ny fikasana fidinana teo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey satria sady tsy nahazoana alalana no manohitohina ny filaminam-bahoaka. Toy izany koa no nanakanana ny fidirana an’Ambohijatovo izay sady tsy nahazoana alalana, no efa misy asa fanamboarana mandeha ihany koa ao an-toerana.

Voafehy ny fitandroana ny filaminana

Raha ny zava-nisy ny Sabotsy teo, saika hita nanerana an’Antananarivo ireo mpitandro filaminana maro be, nahitana ny avy eo anivon’ny Zandarimaria, ny Polisy ary ny Tafika malagasy, izay niantoka ny filaminana. Analakely, Antaninarenina, Ambohijatovo, Antanimena, Ankadimbahoaka, Tanjombato, ary ireo toerana sokajiana ho mafana rehetra dia saika nahitana mpitandro filaminana avokoa. Tokana ny tanjona, dia ny hisorohana ny mety ho fihoaram-pefy na ireo mety halaim-panahy hanararaotra. Araka izany, azo ambara ho nilamina tamin’ny ankapobeny teto andrenivohitra, ary voafehy ny fitandroana ny filaminana. Afaka nanao ny asa fivelomana avokoa ny olona rehetra teto an-drenivohitra, toy ireo mpivarotra, mpitatitra, sy ny sisa.

Ny Fanoratana.  

Fermer