PolitikaSongadim-baovaoSosialy
HIDITRA AMIN’NY FIHIBOHANA SA TSIA ?: Ho sarotra ny fandraisana fanapahan-kevitra anio
41 ireo lavon’ny Covid-19 tao anatin’ny telo andro. Antontanisa izay azo ambara ho ambony indrindra hatramin’ny nisian’ny valanaretina teto amintsika. Mila hamafisina, noho izany, ny fepetra. Anio, hiresaka amin’ny Vahoaka malagasy indray ny Filohan’ny Repoblika. Maro ny mametraka fanontaniana amin’ny mety hisian’ny fihibohana na tsia. Ny azo antoka dia tsy ho mora ny fanapahan-kevitra horaisina, ary tsy maintsy lanjalanjaina ny fepetra fisorohana sy ny fahafahan’ny vahoaka mitady.
Ny Filohan’ny Repoblika sisa no tompon’ny teny farany amin’ ireo fepetra horaisina anio, manoloana ny fihanaky ny valanaretina izay mandripaka olona am-polony isan’andro tato anatin’ny andro vitsy izay. Feno ny hopitaly, nosokafana ireo CTC-19 hanampiana amin’ny fandraisana an-tanana ireo marary, voalaza fa tsy maharaka ny famokarana “oxygène” any amin’ny Hopitaly, omaly, nilaza ny Mpitondra tenin’ny Governemanta fa hiresaka betsaka momba io lafiny “oxygène” io ny Filoha anio, ary hanazava ireo fepetra horaisina manodidina izany.
Anaty adihevitra sy fikaroham-bahaolana tanteraka ny Governemanta nanomboka ny alarobia teo, mahakasika ny fepetra horaisin’ny Fanjakana, raha ny fanazavana hatrany. Araka ny fanehoan-kevitry ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly, tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana, mafy dia mafy ny nianantsika ny fihibohana tamin’ny herintaona. Isika aza anefa tsy nahavita nanaja izany 100% noho ny fitadiavana maro samihafa. Tsy ho vitan’ny Fanjakana koa anefa, hoy izy, ny hanatitra sakafo isan-tokantrano manerana ny Nosy isan’andro. Midika izay, fa mahatsapa ny tsy maintsy hisian’ny fitadiavana atao isan’andro ny Fanjakana. “Ny anjaran’ny Fitondram-panjakana dia izay azo hatsahatra aloha no hatsahatra, mba tsy hanomezana vahana ilay rojo mampita ny valanaretina. Efa hiharan’izany mafy ankehitriny ireo mpisehatra amin’ny kolontsaina”, hoy ny fanazavany.
Fepetra tsy hahafaty ny ara-toekarena sy ny sosialy
Araka ny fanazavana, efa samy nandroso soso-kevitra daholo ireo departemanta minisiterialy isan-tsokajiny, arakaraka ny sehatra misy azy ireo tsirairay avy, manoloana ny fepetra horaisina. Fepetra izay tsy natao hahafaty ny ara-toekarena sy ny ara-tsosialy, kanefa mametra koa ny fiparitahan’ny valanaretina. Notsindrian’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta fa tsy maintsy hamafisina ny fepetra manoloana ity Coronavirus amin’ny endriny vaovao ity, izay mahery vaika kokoa. “Tsy maintsy hisy hatrany ny tsy ho faly amn’izay fanapahan-kevitra horaisin’ny Filohan’ny Repoblika, saingy hinoantsika fa tsy adala akory izy ka hanolo-bato mafana ny Vahoaka malagasy”, hoy hatrany ny fanazavan’ity tomponandraikitra ity. Ity farany izay nanararaotra nitondra ny teny fanentanana, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny paska izao. “Raha mbola azo atao ny tsy mivoaka ny trano dia aleo tsy mivoaka”, hoy izy.




