KolontsainaSongadim-baovao
HIRAGASY: Tafiditra ho isan’ny Harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona
Nandritra ny fivorian’ny Komity Faratampony mandinika sy mamoaka ny lisitra vaovaon’ny harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona izay atao any Botswana no nanapahana fa tafiditra ho isan’ireo harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny Hiragasy. Dingana maro no narahin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina nanomboka ny taona 2019, vao tonga tamin’izao vokatra izao, araka ny angom-baovao.
Tafiditra ao anatin’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny Hiragasy nanomboka ny Talata 05 Desambra 2023 alina. Nandritra ny fivorian’ny Komity Faratampony mandinika sy mamoaka ny lisitra vaovaon’ny harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona izay atao any Botswana no nanapahana izany. Mandray anjara amin’izany fivoriana avo lenta izany ny firenena malagasy amin’ny alalan’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny alalan’ny teknolojia ampitain-davitra. “Miarahaba ny mpanao hiragasy rehetra manerana an’i Madagasikara amin’izao dingana goavana izao, miarahaba ny Malagasy rehetra ihany koa nahatafiditra indray harem-bakoka anatin’ity lisitra miezinezina ity. Fandresena indray mandeha indray ho an’ny Malagasy izao vokatry ny asa sy ny ezaka lehibe natomboka ny taona 2019 izao taorian’ny nahafahana nampiditra ny Kabary Malagasy ny taona 2021”, hoy ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK) omaly.
Ity no kolontsaina Malagasy fahatelo tafiditra ao anatin’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona (patrimoine immatériel de l’Humanité) taorian’ny taohazo Zafimaniry tamin’ny taona 2008 sy ny Kabary Malagasy tamin’ny taona 2021. Ny Hiragasy no faharoa tafiditry ny ekipa mpitantana ny Minisitera ankehitriny.
Nanomboka ny taona 2019 dia nametraka fanamby ny Minisitera ny amin’ny tsy isian’ny seha-kolontsaina ho ankilabao, no sady niezaka nanome lanja ireo seha-kolontsaina Malagasy rehetra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nanomboka ny taona 2019 dia nomen’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina lanja manokana hatrany ny Hiragasy na tamin’ny hetsika rehetra nokarakarainy na tamin’ny fotodrafitrasa satria nananganany ny Kianjan’ny Hiragasy etsy Ampefiloha, izay toerana fanaovana hiragasy voalohany natsangana sy notantanan’ny fanjakana.
IREO DINGANA NARAHIN’NY MINISITERA NAHATONGAVANA TAMIN’IZAO VOKATRA IZAO :
- Nandritra ny fivorian’ny mpitantana ny Minisitera (Staff meeting) ny Alatsinainy 13 Mey 2019 no nanapa-kevitra ny Minisitra tamin’izany Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY sy ny mpiara-miasa aminy ny hanao ny dingana rehetra ahafahana mampiditra ny Hiragasy sy ny Kabary Malagasy ao anatin’ny lisitry ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanakolombelona.
- Ny volana Jona 2019 no nanomboka ny asa ho an’ny Hiragasy tamin’ny alalan’ny fanadihadiana sy fanangonana tahirin-kevitra teo anivon’ireo mpisehatra ny Hiragasy. Nisy ny fanatonana ireo olo-ben’ny fanaovana hiragasy, ireo kaominina be mpanao hiragasy, ireo mpanamboatra aponga sy langoraony, ireo mpampianatra mpikaroka sy nanao fikarohana manokana momba ny Hiragasy, ny Ofisim-paritry ny Fizahantany ORTANA.
- Ny volana Aogositra 2019 : natao ny fanangonana ny taratasy fankatoavana (lettres de consentement) avy amin’ireo izay voakasika voalohany dia ireo mpanao Hiragasy ho fanoratana azy eo anivon’ny UNESCO. Natao ny fanangonana sy fandrafetan’ny Minisitera ny tahirin-tsary izay anisan’ny antontan-taratasy takiana sy alefa eo anivon’ny UNESCO
- Ny volana Marsa 2020 no natao ny fangataham-pankatoavana ny antontan-kevitra voarakitra tao anatin’ny antontan-taratasy ho fanoratana (ICH-02) ny Hiragasy, izay niarahana tamin’ireo mpiara miombon’antoka sy ny mpisehatra ary ny mpitahiry izay nosoniavin-dRamatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY nialohan’ny nametrahana azy teo anivon’ny UNESCO.
- Niara-nampidirina tamin’io Marsa 2020 io ny antontan-taratasy fampidirana ny Kabary Malagasy sy ny Hiragasy. Ny volana Novambra 2021 dia nasain’ny UNESCO nisafidy ny fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny Minisitera ny amin’ny ho raisina voalohany na ny Kabary Malagasy na ny Hiragasy. Dia ny Kabary Malagasy no nampidirina tanaty fivoriana faratampony ny Desambra 2021.
- Rehefa tafiditra tanatin’ny lisitry ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny Kabary Malagasy dia niroso tamin’ny fanohizana ny antontan-taratasy momba ny Hiragasy indray ny Minisitera ka ny Zoma 8 Aprily 2022 dia naterin-dRamatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY tany Paris ny antontan-taratasy fanamafisana ny fangatahana fampidirana teo anivon’ny UNESCO Paris (Secrétariat de la convention pour la sauvegarde du patrimoine culturel immatériel – patrimoine vivant secteur de la culture).
- Nanomboka teo dia nisy ny fifanakalozana sy ny fifandresen-dahatra tsy an-kijanona teo amin’ny UNESCO sy ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina nandritra ny volana maro.
- Ny volana Novambra 2023 no nahazo fankatoavan’ny komitin’ny fanombanana (organe d’évaluation) ny fidiran’izany anaty fivoriana faratampony ka izao atrehina any Botswana izao.



