Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

HITA FATY NIHANTONA: Maty namono tena ny Ben’ny tanànan’i Bemanonga Morondava teo aloha

Nanaitra ny mpanara-baovao maro ny tranga nahafatesan’ny Ben’ny tanànan’i Bemanonga Morondava teo aloha, Roberto Miadamana, omaly, tao amin’ny Fokontany Antanandava. Raha ny angom-baovao avy any an-toerana sy ny niely omaly tontolo andro, indrindra tany an-tambazotran-tserasera dia voalaza fa maty namono tena ity Ben’ny tanàna teo aloha ity. Izy, izay hita faty nihantona tamin’ny tady teo ambony manga, araka ny fampitam-baovao hatrany. Nambara ankoatr’izay, fa nahitana taratasy miisa roa teo amin’ny manodidina akaiky azy, ary efa nalain’ny Mpitandro filaminana tonga nijery ny tranga tany an-toerana. Raha ny fantatra, dia vao afak’omaly ity tompon’andraikitry ny tanànan’i Bemanonga teo aloha ity no nandefa fanaparitahana (publication) tao amin’ny rindriny, toa nilaza fahakiviana sy fisiana olana manokana, izay nampanontany tena ny maro mpanaraka azy. Misy anefa resaka mandeha mikasika ny vakin’ireo taratasy hita teo akaikiny ireo, izay toa nilazalaza ny momba ny toerana handevenana azy, ny olona tsy mahazo miatrika ny fahafatesany, ary ny momba ny fananany. Eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana anefa, ny raharaha, hahafantarana marina ny momba io tranga io. Nambaran’ny mpitsabo nizaha ny razana, fa ora roa talohan’ny nahitana ny fatiny io no nahafatesan’ity Ben’ny tanànan’i Bemanonga teo aloha ity, izany hoe omaly, tokony ho tamin’ny 08 ora maraina tany ho any. Voalaza ihany koa, fa nisy namana akaiky azy nilazany mialohan’ny fotoana namonoany tena io. Andrasana araka izany, ny valin’ny fanadihadiana tanterahin’ny Mpitandro filaminana efa mandeha amin’izao fotoana. Teo anelanelan’ny taona 2015 ka hatramin’ny 2019 no naha Ben’ny tanàna an’i Miadamana Roberto, ary tsy lany intsony izy taorian’izay na dia mbola nirotsaka aza. Faha-55 taonany izy izao nodimandry izao.

Nangonin’i S.R

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer