Songadim-baovaoSosialy
HIVADIKA RIVODOZA MAHERY ILAY ANDRO RATSY: Tombanana hiditra an-tanety rahampitso eo anelanelan’i Maroantsetra sy Mahanoro
Narahi-maso hatrany ilay andro ratsy niforona tao amin’ny Ranomasimbe Indiana, ka nahazoam-baovao teo anivon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly tamin’ny 04 ora tolakandro. Raha ny nisy ny foibeny, omaly tamin’ny 03 ora tolakandro, dia tany amin’ny manodidina ny 730 Km atsinanana somary atsimo atsinanan’i Toamasina. Niakatra ho 55 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 75 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 20 Km/ora. Vinavinaina hitombo hery hatrany izy ka ahiana hivadika ho rivodoza manomboka anio maraina. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Maroantsetra sy Mahanoro ity rivodoza ity, rahampitso talata 04 febroary 2025, amin’ny tanjaka “Forte Tempête Tropicale” na rivodoza mahery, izay hitondra tafiotra manodidina ny 120 Km/ora. Ho fiomanana ny amin’izany, dia nisy fiovana ny filazana loza voarain’ireo Faritra sy Distrika mety ho lalovan’ity rivodoza ity. Naharay filazana loza manambana na miloko mavo, ny ao amin’ny Faritra Ambatosoa, Analanjirofo, Atsinanana ary ny Distrikan’Antalaha. Filazana loza fanairana na miloko maitso kosa, ho an’ny Faritra Alaotra Mangoro, Distrikan’i Mandritsara, ary Befandriana Avaratra. Entanina araka izany, ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Vohemar sy Mahanoro mba tsy hiandriaka intsony manomboka anio maraina, ary hanaraka mandrakariva ireo toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony ny mponina amin’ireo toerana voalaza.
Stan R.




