Politika

HONORE RAKOTOMANANA : « Tsy mifanitsaka ny asan’ny HCJ sy ny vaomieran’ny Fitsarana Avo »

Naneho ny heviny mahakasika ireo fiampangana olona ambony tokony handalo eny amin’ny Fitsarana Avo na ny HCJ ny Senatera, no sady mpahay lalàna, Honoré Rakotomanana omaly. Nambarany fa tsy midika ho fanitsahana ny asan’ny fahefam-pitsarana ny fandalovan’ny antontan-taratasy eny amin’ny kaomisionina manokana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena vao makany amin’ny HCJ. Tsiahivina fa tamin’ity fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan’ny Antienimieram-pirenena ity dia isan’ireo dinihina ny mahakasika ireo fitoriana olom-panjakana teo aloha izay voarohirohy amin’ny fanodikodinana volam-panjakana nandritra ny fotoana naha ministra azy ireo. Amin’izao fotoana dia inian’ny mpanao politika sasany havily amin’ny resaka valifaty politika ny fampiharana ny lalàna sy fametrahana ny tany tan-dalàna. Nambaran’i Honoré Rakotomanana fa fitsarana politika ny HCJ ka mazava ho azy raha mpanao politika no henjehina eny, izay tsy midika ho valifaty mihitsy. Andraikitra efa napetraky ny lalàna izany ka tsy maintsy hajaina, hoy izy. Tsy misy fifanitsahana andraikitra hoy hatrany ity mpahay lalàna ity ny fikirakirana ireo raharaha ireo satria mamoaka ny fehin-kevitra fiapangana ihany no ataon’ny Antienimieram-pirenena fa ny HCJ no mitsara amin’ny alalan’ny didy aman-dalana. Marihana fa Honoré Rakotomanana dia isan’ny namolavola ny Lalàmpanorenan’ny repoblika fahefatra.

Fermer