PolitikaSongadim-baovao

HOPITALY SY BIRAON’NY PREFE AO MAROANTSETRA: Hanala fahasahiranana tanteraka ny vahoakan’Ambatosoa

Toy ny kianja manara-penitra sy ny lalana ary ny fisitrahana angovo avy amin’ny fisian’ny « parc solaire » ao Maroantsetra sy Mananara Avaratra, Faritra Ambatosoa, dia nisitraka hopital manara-penitra sy biraon’ny Prefe ihany koa ny ao an-toerana. Nivoitra nandritra ny fitokanana notanterahin’ny Filoha Rajoelina, fa ho afa-pahasahiranana tanteraka ireo mponina na ara-pahasalamana na fitantanana amin’ny ankapobeny…

Hafaliana tsy omby tratra no nisitrahan’ny vahoakan’i Maroantsetra hopitaly vaovao manara-penitra, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny ara-tantara mikasika ny hopitalibe ao an-toerana, dia ny 18 novambra 1961 no nanorenana hopitaly voalohany, tamin’ny andron’ny Repoblika I, ary 65 taona taty aoriana vao nisy hopitaly manara-penitra sy sahaza ny vahoaka, raha ny nomarihan’ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny tapany Avaratry ny Nosy (VPS Nord), Erick Besoa. Vinavinaina manodidina ny 10 000 eo ny isan’ny mponina tao Maroantsetra tamin’izany fotoana, raha efa nitombo avo 50 heny amin’izao fotoana, izany hoe efa hananika ny 500 000. Lasibatry ny fitokana-monina ihany koa i Maroantsetra noho io tsy fananana hopitaly efa tsy mifanaraka intsony amin’ny filàn’ny vahoaka io. Tamin’ny fanendrena ny Loholona Besoa Erick, anefa, dia fantatra fa anisany laharam-pahamehany momba ny adihevitra mikasika an’i Maroantsetra ny momba ny hopitaly. Nohavaozina sy namboarina manontolo anefa izany, taorian’ny adisisika nataon’ny VPS Nord. Tsy nihanona tamin’izany anefa, ny Filoha, fa nanao laharam-pahamehana ny fananganana manara-penitra, izay efa mitsangana sy notokanana ankehitriny. Sangany amin’ny habeny sy ny hatsarany hatramin’ireo fitaovana rehetra misy ao aminy ity ao Maroantsetra ity, raha ny fantatra, izay efa mifanaraka tanteraka amin’ny fitomboan’ny mponina sy ireo fitsaboana ilaina rehetra. Anisan’izany ny toeram-pameloman’aina, fitaovana fitiliana (scanner), ny “générateur d’oxygène”, laboratoara fanaovana fitiliana, fandraisana an-tanana ny reny sy ny zaza, ny efitrano fandidiana manara-penitra, trano fonenan’ny mpiasan’ny hopitaly, sns. Tetsy an-kilan’izany, nohamafisin’ny Filohan’ny Repoblika, fa tato anatin’ny dimy taona mahery dia hopitaly manara-penitra miisa 30 no efa vitan’ny Fitondram-panjakana, ary nampiany, fa “afaka atao tsara ny mampitombo ny hopitaly avo roa heny anaty fotoana fohy”. Mbola tsy ampy iray volana araka izany, no nitokanana ny hopitaly manara-penitra tao Ambohimahasoa sy Vohibato, dia izao indray efa mahazo ny ao Maroantsetra. Ankoatr’izany, dia hisy ny fanofanana ireo mpitsabo mpandidy handray ireo fitaovana manara-penitra, ka hahatratra 30 isan-taona izy ireo no halefa any ivelany haka traikefa.

Manatanteraka fitsinjaram-pahefana tena izy

Anisany distrika maro vahoaka ny ao Maroantsetra, kanefa, mbola azo lazaina fa mitoka-monina vokatry ny haratsian-dalana. Amin’izao efa nahazoana ny faritra faha-24 misy an’i Maroantsetra sy Mananara Avaratra izao, dia tsy avelan’ny fitondram-panjakana hitoka-monina intsony izy, fa napetraka ao Maroantsetra ny biraom-panjakana ahitana ny an’ny Prefektiora, izay vao notokanana. Nambaran’ny Filoha, fa mendrika fampandrosoana ny vahoakan’Ambatosoa, ary sarotra ny hisian’izany raha tsy misy fotodrafitrasa toy ny an’ny Prefe izao, izay hisahana ireo distrika roa mandrafitra an’Ambatosoa. Manatanteraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy, ary dingana lehibe anatin’ny fitantanana manakaiky vahoaka, hoy ny Filoha Rajoelina. Nankasitraka ny Filoham-pirenena tamin’izao diany tany an-toerana nitondrana zava-tsoa ho an’ny Faritra Ambatosoa izao, ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona, nisolo tena ny vahoaka. Nisy koa fitokanana ny Bazary be ao Maroantsetra nandritra ity dian’ny Filoha ity.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer