Songadim-baovao
IADIANA AMIN’NY COVID-19 : Mbola ny 4%-n’ny Malagasy no vita vaksiny
Raha ny antontanisa ny farany herinandro teo, dia nahatratra 207 ireo tranga, taorian’ny fitiliana tamin’ireo olona miisa 4400, nanomboka ny 4 jona ka hatramin’ny 10 jona lasa teo. Raha ny antontanisa, 100% ny taham-piakaran’ireo olona voan’ny valanaretina covid-19, tao anatin’ny herinandro. Raha ny fanambaran’ny Mpiandraiki-draharahan’ny Masoivoho Amerikanina, Tobias Glucksman, ny 11 jona lasa teo, ny 4%-n’ny Malagasy ihany no vita vaksiny ary mila ampitomboina izany tarehimarika izany, hifanakaiky amin'ny vokatra amin'ireo firenena manodidina, izay misy nahavita vaksiny ny 60% ny mponina ao aminy…

Ao anatin’ny vanim-potoan’ny ririnina isika izao, ary tokony samy mbola hitandrina mahakasika ny valanaretina covid-19. Raha ny antontanisa ny farany herinandro teo, dia nahatratra 207 ireo tranga, taorian’ny fitiliana tamin’ireo olona miisa 4400, nanomboka ny 4 jona ka hatramin’ny 10 jona lasa teo. Raha ny antontanisa, 100% ny taham-piakaran’ireo olona voan’ny valanaretina covid-19, tao anatin’ny herinandro. Raha ny fanambaran’ny Mpiandraiki-draharahan’ny Masoivoho Amerikanina, Tobias Glucksman, ny 11 jona lasa teo, dia ampirisihana ny olom-pirenena amin’ny fanaovana vaksiny hiadiana amin’ny Covid-19. Herintaona aty aorian’ny nanaovana vaksiny, miharihary amin’izao tontolo izao fa sady azo antoka no mandaitra izy amin’ny fisakanana ny Coronavirus sy ny fiarovana ny olona tsy ho voan’ny Coronavirus ary koa, raha sanatria ka tratran’ny Coronavirus izy ireo, dia tsy ho tratran’ny fahasarotana. Zava-dehibe, noho izany, ny fanaovana vaksiny. Sitrak’izy ireo, araka izany, raha mitombo isa ireo Malagasy voaaro amin’ny loza ateraky ny Coronavirus. Raha ny antontanisa nambaran’izy ireo, amin’izao fotoana, dia ny 4%-n’ny Malagasy ihany no vita vaksiny ary mila ampitomboina izany tarehimarika izany, hifanakaiky amin’ny vokatra amin’ireo firenena manodidina, izay misy nahavita vaksiny ny 60% ny mponina ao aminy. Betsaka ireo vaksiny maimaim-poana azo atao eto Madagasikara amin’izao fotoana, ka mila ampitomboina ny hetsika ahafahan-manao vaksiny ny mponina anatin’ny fotoana fohy toa izao ataontsika izao. Ilàna ny ezaky ny rehetra ny fanatanterahana izany. Mila ireo mpitarika eny anivon’ny fiarahamonina. Mila ireo Mpitondra fanjakana ary mila ny fiarahamonina iraisam-pirenena samy hitondra ny anjara birikiny, mba hahatanteraka izany.
Tolokevitry ny Akademia momba ny fitsaboana

Dingana iray lehibe izay azontsika atao, na ny marimarina kokoa azon’ny governemanta malagasy atao amin’izao fotoana, ary tena hanova zavatra, dia ny fampiharana ny tolo-kevitry ny Akademia nasionaly momba ny fitsaboana hamela ireo Malagasy eo anelanelan’ny 12 ka hatramin’ny 18 taona hanao vaksiny Pfizer. Ampahany betsaka amin’ny mponina no tafiditra anatin’io sokajin-taona io ary raha vita vaksiny izy ireo, dia afaka ho any an-tsekoly, hiriaria miaraka amin’ny namany ary hiaina tsy amin’ahiahy. Tsy mila miaina miaraka amin’ny tahotra ny coronavirus intsony izy ireo. Etazonia dia mpanohana ny sehatry ny fahasalamana, ary lohalaharana amin’ny famatsiam-bola io sehatra io. Mazava ho azy fa manohana amin’ny fanomezana vaksiny hiadiana amin’ny Covid izy ireo, miampy ireo fisorohana ny Covid, ary koa ny fitsaboana.
Mbola betsaka, noho izany, ny ataon’izy ireo, momba ny ady amin’ny areti-mifindra, amin’ny fanohanana ireo rafi-pahasalamana ary manampy ny rehetra hisitraka fahasalamana. Mpiara-miombona antoka ny Amerikanina, amin’izao ezaka lehibe hiantohana fahasalamana ho an’ny rehetra izao, ka hanana fiainana tsaratsara kokoa. Nanterin’iz ireo fa mbola hiara-dalana amin’ny Malagasy izy ireo, amin’ny ezaka fanaovana vaksiny ny rehetra, sy ny ezaka fanarenana ny toekarena, hahatonga an’i Madagasikara ho salama sy hiroborobo. Nisaoran’izy ireo manokana ireo mandeha manao vaksiny, ho tombontsoan’ny tenany, ho an’ny ankohonany ary ho an’ny fiarahamonina misy azy.




