Songadim-baovaoSosialy
IKONGO : Tokantrano 4000 nisitraka asa sosialy avy amin’ny Filoham-pirenena mivady
Tonga any amin’ny distrikan’Ikongo ireo iraka avy amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny, amin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny raharaha sosialy eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, izay nitondra fanampiana ho an’ireo fianakaviana tena marefo any an-toerana, omaly. Hisitraka fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana avokoa ireo kaominina ao amin’ny distrikan’Ikongo: Ambatofotsy, Ambinanitromby, Maromiandra, Belemoka ary Ikongo. Tokantrano marefo miisa 4000 no nisitraka izany fanampiana izany amin’izao andro voalohany izao. Nitondra ny teny fampiononana sy namangy ireo fianakaviana nidonam-pahoriana noho ny tazomoka mahery vaika tao an-toerana koa ireto iraka avy amin’ny Filohan’ny Repoblika sy Ramatoa vadiny ireto. Haharitra hateloana moa ny fanatontosana izao asa sosialy izao any amin’ny distrikan’Ikongo.
Ankoatra izay, nanampy tamin’ny fitaterana ireo zavatra ilaina andavanandro mankany Ikongo ny PAM na ny Fandaharanasa Iraisam-pirenena momba ny Sakafo, tamin’ny fampiasana fiarabe 6×6, ny herinandro lasa teo, manoloana ny fisian’ny tazomoka any an-toerana. Fanampiana vonjy taitra ho an’ireo Vondrom-piarahamonina tena marefo ao Ikongo, izay tena ratsy lalana tokoa izany. Tiana ny manamarika fa efa mahatratra hatrany amin’ny 118 ireo matin’ny tazomoka hatreto, araka ny tarehimarika ofisialy. Mitohy hatrany ny fanentanana ary mitohy ny fanadiovana tanàna sy ny fizarana sakafo ary fanafody ho an’ny mponina, izay tena marefo.
Rado Harivelo



