
Songadim-baovao
ILAKAKA : Tra-tehaka ny rongony 245 kg, jiolahy iray sarona
Taorian’ny angom-baovao tamin’ny olona tsara sitrapo momba ny fisiana andian-jiolahy nitondra rongony, afakomaly alina tao Andranomena Ilakaka. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny zandary sy ireo andian-jiolahy. Tra-tehaka ny jiolahy iray, raha sarona kosa, ny rongony milanja 245 kg…

Nitrangana fifandonana mahery vaika teo amin’ny andian-jiolahy ampolony sy ny Zandary avy ao Ilakaka, afakomaly alina, tao Andranomena Ilakaka. Angom-baovao avy tamin’olona tsara sitrapo no nahafantarana fa misy andian-jiolahy mitondra rongony avy any Betroka, miampita ny reniranon’i Lagnagna mizotra miankandrefana. Vantay vao nahare izany ireo Zandary avy ao Ilakaka dia nidina tany an-toerana. Raha vao nahita ireo zandary ireo jiolahy dia nitifitra. Tsy nanaiky mora foana ireo mpitandro filaminana ka namaly tifitra. Vokany, voa teo amin’ny tongony ny jiolahy iray ary nosamborina, raha tafaporitsaka ireo namany tao anatin’ny haizina tanteraka. Nilanja 245 kg ireo rongony nentin’izy ireo, izay navelany mba hahafahany mitsoaka. Rehefa natao ny famotorana ilay jiolahy voasambotra, nanoro ireo lehibeny sy ireo iray mpiray tsikombakomba aminy, miaraka ireo mpandray ireo rongony hamidy. Hentitra, araka izany, ny fandraisana fepetra araky ny lalàna velona ho hampiharina mba hamongorana ny asa ratsy amin’ny resaka zava-mahadomelina any an-toerana.
Rongony 35 kg…

Mbola saron’ny zandary sy pôlisy nanao fisafoana teo amin’ny sakana Ankorovaka Boriziny Sofia, ny alin’ny 2 oktobra lasa teo, ny môtô iray nitondra rongony milanja 35 kg. Araka ny fanadihadiana fohy, rongony nentiny avy any Boriziny Sofia ka hoentina any Marovoay Boeny izany. Rehefa natao ny famotorana ity mpitondra zava-mahadomelina ity, dia avy any Antanimasaka Mahajanga izy no mipetraka. Hentitra ny fampiharana ny sazy ho an’ireo sarona mitondra karazan-java-mahadomelina, mampirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny Faritra maro.




