Songadim-baovaoSosialy

IMERINTSIATOSIKA: Fantatra ireo olona 320 hisitraka ireo Trano mora

Tamin’ny Repoblika Faharoa no nisian’ny fananganana trano farany, nataon’ny Fitondram-panjakana ho an’ny Vahoaka malagasy, teto Madagasikara. Manoloana izany, ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny, ny hamaliana ny filàn’ny Vahoaka amin’ny lafiny toeram-ponenana sahaza azy ireo. Anisan’izany ny fananganana ny trano mora etsy Imerintsiatosika izay miisa 320, ary nosarihana omaly, ireo olona hisitraka izany.

Manodidina ny 1 700 000 ny isan’ireo Malagasy mila trano manerana an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao, ka ny fito hetsy amin’ireo no eto Antananarivo, raha ny fanazavan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Gérard Andriamanohisoa. “Tamin’ny Repoblika Faharoa no nisy fananganana trano farany ho an’ny Vahoaka malagasy, nataon’ny teo anivon’ny Fitondram-panjakana tany aloha, teto amintsika. Manoloana izany, ezaka lehibe ataon’ny Fitondram-panjakana, ankehitriny, ny fanaovana fotodrafitrasam-ponenana mba ho fanampiana manokana ireo Vahoaka malagasy”, hoy hatrany ny nambarany. Marihina fa manodidina ny 1 900 ireo trano sy zara tany efa vita ho an’ny Vahoaka malagasy, ankehitriny, raha toa ka 40 000 no tanjona napetraky ny eo anivon’ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Efa ahitana izany ny Faritra sasany manerana ny Nosy, toa an’i Nosy be, Antsiranana, Morondava, Antsirabe, Fianaratsoa sy ny sisa. Eo koa ny any Toamasina izay efa an-dalam-pananganana ireo trano mora miisa zato manaraka, raha toa ka efa voatsangana ny 80 isa. Efa nisy, araka izany, ireo olona tonga nisoratra anarana hisitraka ny trano mora any an-toerana.

Tombotsoan’ny Vahoaka malagasy

Ho an’ny eto Antananarivo manokana, omaly Zoma 03 Febroary 2023, no nanatanterahana ny fisarihana tamin’ireo olona nisoratra anarana hisitraka ny trano mora eny Imerintsiatosika.  Raha toa ka 3 506 ireo olona tonga nisoratra anarana mba hisitraka izany, dia ny 2 631 tamin’ireo no nahafeno fepetra. Ny 320 amin’ireto farany no nanaovana fisarihana omaly, ka ny 69 amin’ireo no mponina avy ao amin’ny Distrikan’Arivonimamo. “Hiaraha-mahalala ny fitomboan’ny hofan-trano, ka mba hialako amin’izany dia nisoratra anarana aho. Tombontsoa lehibe ho ahy ny isan’ireo voasarika mipetraka eny amin’ny trano mora Imeritsiatosika, satria afaka taona vitsy dia voasoratra ho ahy manokana ny trano hipetrahako”, hoy i Mbolatiana Faraniana, izay nahazo ny trano mora, nandritra ny fisarihana natao omaly.

Trano mitentina 40 tapitrisa Ar

Marihina fa paikady napetraky ny eo anivon’ny Sekreteram-panjakana amin’ny fizarana ny trano ny “vente location”. Izany hoe, manofa trano mandritra ny fotoana voafetra ireo hisitraka ny trano ka 15 taona, raha ela indrindra, no handoavan’ny mpisitraka izany hofa-trano izany ary misoratra ho azy manokana ny trano aorian’izay. Nohamafisin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana kosa, fa mbola ambany ny fahafaha-mividin’ny Vahoaka malagasy, ka natao izay hanamoràna kanefa trano manaraka ny fenitra no hatsangana. Ireo trano mora etsy Imerintsiatosika ireo manokana, mitentina 40 tapitrisa ariary ny fitambaran’ny vola alohan’ireo mpisitraka ny trano, izany hoe, 175 000 ariary isam-bolana ny vola haloa. Manodidina ny 70 metatra tora-droa ny velaran’ny trano, ary ahitana rihana roa. Misy koa ny faritra fiantsonan’ny fiara. Misy kosa ny fepetra arahina mandritra ny fotoana ipetrahan’ireo nahazo ny trano, mialoha ny hanoratana ny trano ho azy manokana.

Johannah (Mpianatra asa) sy LR.

Fermer