Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
IMERINTSIATOSIKA : Zazavavikely 06 taona voaolana, atao hazalambo ilay nahavanon-doza
Zazavavikely 06 taona, kamboty Ray, no nisy nanolana, ny harivan’ny alahady 03 marsa lasa teo, tao amin’ny fokontany Merimandroso Imerintsiatosika. Lehilahy 23 taona no nahavanon-doza tamin’izany, raha ny fantatra, izay efa anaovan’ny Manam-pahefana hazalambo ankehitriny.
Tsy tapaka andrenesam-baovao momba ny resaka fanolanan-jaza ao an-tambazotran-tserasera ao, hatramina haino vaky jery samihafa ihany koa. Zazavavikely 06 taona, kamboty Ray, izany hoe vao haingana no namoy ny Rainy ity zazavavikely ity, no nisy nanolana, ny harivan’ny alahady 03 marsa lasa teo, tao amin’ny fokontany Merimandroso Imerintsiatosika. Lehilahy 23 taona no nahavanon-doza tamin’izany, raha ny fantatra. Raha ny angom-baovao voaray tany an-toerana, dia nilalao teo an-tokontaniny ilay zazavavy, no nirahina lehilahy iray hividy sigara. Rehefa tafaverina izy, dia nantsoin’ity farany nanatitra izany tao an-tranony, izay tsy lavitra ny tokontany nilalaovan’ilay zaza. Tamin’izany anefa, no nanamparan’ity olon-dratsy ny filàny ara-nofo sy ny herisetra, satria ankoatra ny fahasimbana tanteraka amin’ny fivavian’ilay zaza, araka ny fizahana nataon’ny mpitsabo, dia mbola nahitana ratra maro ihany koa ny tarehin’ilay zaza. Nandositra avy hatrany ilay lehilahy tsy mataho-tody raha vantany vao vita ny nataony tamin’ilay zaza, ary mbola hifampikarohana hatramin’ny omaly hariva.
Atao hazalambo…
Miantso an’i Da-Willy nanolana ilay zaza tany Imerimandroso Imerintsiatosika ny Mpitandro filaminana hitolo-batana tsy misy hataka andro. « Tsy maintsy ho tratra ianao na ho aiza na ho aiza », hoy ny Jeneraly Mamelison Mbina Nonos, talen’ny fikarohana ny fandikan-dalàna (DPJ) eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, notronin’ny Kaomisera Divizionera Razafindrazaka Hector (DPJ Polisim-pirenena) sy Kaomisera Rasoamanarivo Lydie, lehiben’ny Foiben’ny Sampandraharahan’ny polisy miaro ny zaza sy miady amin’ny heloka mamoafady (SCPMPM). Nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo omaly tolakandro. Miantso ny rehetra hifanome tanana amin’ny fikarohana ity lehilahy nahavanon-doza nanolan-jaza tao Imerintsiatosika ity, ny Mpitandro filaminana. Efa miparitaka any antambazotran-tserasera “facebook” moa, ny sarin’ity lehilahy mpanolana karohina ity. Nanamafy izay antso atao amin’ny Mpitandro filaminana sy ny rehetra hikaroka ny nahavanon-doza izay ihany koa, ny Minisitry ny Mponina sy ny firaisan-kina, Haingo Nambinina, izay tonga nitondra fanampiana sy nitsidika ity zaza niharam-boina ity tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefilhoha, toerana nitondrana ny zaza hahazo fitsaboana haingana.
Stan R & Pierre M.




