Kolontsaina
IRAY VOLAN’NY TENY MALAGASY : Ho fantatra anio ireo nandresy tamin’ny fifaninanam-pirenena
Hotontosaina anio, etsy amin’ny Ivokolo Analakely, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina, ny hetsika famaranana ny « Iray volan’ny teny malagasy », nankalazaina nandritra ity volana jona 2022. Ho fantatra anio ireo nandresy tamin’ny fifaninanam-pirenena momba ny literatiora an-tsoratra…

Hotontosaina anio, etsy amin’ny Ivokolo Analakely, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina, ny hetsika famaranana ny « Iray volan’ny teny malagasy », nankalazaina nandritra ity volana jona 2022. Hitarika ny lanonam-pamaranana, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Ho fantatra amin’ity anio ity ny famoahana ny valin’ny fifaninanam-pirenena literatiora an-tsoratra, izay nahitana sokajy asa soratra: sombin-tantara, tantara foronina, ary amboaran-tononkalo. Ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, amin’ny alalan’ny Fitaleavan’ny Fampiroboroboana ny teny malagasy no niandraikitra nivantana ny fifaninanana. Lohahevitra naroso tamin’izany, ny lalan-tsaina voizin’ny minisitera, dia ny « Iray ihany isika », « Asa sy ezaka » ary ny « Tagnamaro ».
Nahatratra 72 ireo fifaninanana voarain’ny minisitera, momba ity fifaninanana ity. Niara-nisalahy tamin’ny fitsarana ny fifaninanana ny Akademisianina, ireo mpampianatra mpikaroka teny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny teo anivon’ny ENS Ampefiloha. Teo koa ny mpampianatra sady mpanoratra, solontena avy amin’ny Lisea ary ireo mpanoratra kalaza amin’ny fanoratana sombin-tantara sy tantara foronina, izay fandre amin’ny onjampeo sy fahita an-gazety. Araka izany, ho fantatra amin’ity anio ity, ireo mpifaninana nibata ny fandresena, ka ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina no hanambara izany amin’ny fomba ofisialy. Hisy ny fizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo mivoaka mpandresy. Tiana ny manamarika fa lohahevitra nenti-nanamarika ny « Iray volan’ny teny malagasy » moa ny hoe : « Raika aby antsika, atambatr’ e teny malagasy ».




