Songadim-baovaoToekarena
ITREMO – AMBATOFINANDRAHANA: Fahombiazana ny nampidirina ireo mpitrandraka madinika amin’ny sehatra ara-dalàna
Paikady napetraky ny Fanjakana ny hanaovana ho matihanina ny asa fitrandrahana sy fampidirana anaty sehatra ara-dalàna ireo vondrona mpitrandraka madinika, amin’ny alalan’ny fametrahana ny “Zone d’encadrement pour les petits exploitants miniers”, hanomezan’ny Fanjakana tantsoroka ireo vondrona mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika. Tamin’ity herinandro ity, nanatanteraka fitsidihana ifotony tany amin’ny tangorom-bohitra Itremo, Distrikan’Ambatofinandrahana, ny delegasionan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy Loharanonkarena Stratejika notarihan’Andriamatoa Rakotomalala Herindrainy Olivier. Lavitra dia lavitra ny toerana misy ny kariera, satria ora efatra mandeha fiara miala avy eo amin’ny renivohitry ny Distrikan’Ambatofinandrahana no misy azy. Nijery ifotony ny asa fitrandrahana tanterahan’ireo vondrona mpitrandraka madinika ao amin’ny kariera fitrandrahana vato cristal ao Anovotra no votoatin’ny fidinana ka nahitana ny zava-misy eny ifotony iainan’izy ireo : ny fitaovana ampiasaina amin’izany, ny toerana misy ireo fitrandrahana, ny firoboroboan’ny fitrandrahana, ny fiantraikany amin’ny fiainan’ny mponina eny ifotony. Tsara ho fantatra fa araka ny lalàna mifehy ny fitrandrahana madinika dia voarara ny fampiasàna ny fitaovana vaventy toy ny “Bull” na “excavateur”. Hita fa voahaja izany fepetra izany ao amin’ny kariera Anovotra misy ny fitrandrahana cristal, vokarina amin’ny fitaovana ampiasaina tanana.
Nihatsara ny fahefa-mividy
Nivoitra nandritra ny fifampiresahana tamin’ny Minisitera sy ireo vondrona mpitrandraka mpahazo tombontsoa fa tena hita mivaingana ny fiantraikan’ity paikadin’ny Fanjakana ity : ankoatra ny famoronana asa manodidina ny fitrandrahana dia nanatsara tanteraka ny fandriampahaleman’ny tanàna manodidina izany. Fantatra mantsy fa dia tena faritra mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana tokoa ny Kaominina Itremo hatramin’izay ary nanjakan’ny asan-dahalo. Nihorohoro ireo mponina ka tsy lavorary ny asa fitadiavana andavanandro tamin’izany. Nohamafisin’ireo mpitrandraka anefa fa dia niverina amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana ao Itremo nanomboka tamin’ny nisokafan’ny “zone d’encadrement” tao an-toerana. “Maro ny asa voaforona teto amin’ny fitrandrahana ka lasa nisitraka izany avokoa ireo tanora tety amin’ny faritra, nihatsara ny fahefa-mividy ary niakatra ny fari-piainan’ireo mpahazo tombontsoa” hoy i Nirina Noely Razafindrakoto, Filohan’ny Groupement FIMPAVI na Fikambanan’ny Mpanao vato Itremo. Nanamafy izany ireo tanora nijoro vavolombelona fa nahavidy “moto” vaovao sy nahatsangana trano. “Nihatsara noho izany ny fandriam-pahalemana eto Itremo” araka ny fanazavan-dRakotoarisoa Fidèle, Filohan’ny Fikambanan’ny Mpitrandraka Vato Anovotra na Groupement FMVA, sady mponina ao Itremo. “Tsy nisy intsony ireo asan-dahalo ety amin’ny faritra” hoy hatrany izy.
Fianakaviana an-jatony moa no miasa sy misitraka ny fitrandrahana vato cristal ao Anovotra, Kaominina Itremo ary mipaka amin’ireo kaominina manodidina toa an’Ambatofinandrahana, Manandriana, Talata Vohimena, Amborompotsy sy Mandrosonoro izany tombontsoa izany.




