Songadim-baovaoToekarena
IVATO – ANDRANOTAPAHINA: Misokatra ho an’ny rehetra ny lalana “voie rapide” mirefy 4km
Hamaha olana betsaka amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana any amin’ny manodidina ny seranam-piaramanidina Ivato ny fisokafan’ny lalana “Voie Rapide” mampitohy ny “Rond-Point” Don Bosco sy ny “Rond-Point” Andranotapahina. Izany hoe, mifandray mivantana amin’ny lalam-pirenena fahefatra ity lalana ity, ary afaka mitohy avy hatrany koa amin’ny “Route de la francophonie”, hatreny Andohatapenaka.
Tratra ny fanamby! Efa azon’ny besinimaro ampiasaina nanomboka omaly ny ampahan-dalana 4km amin’ny “Voie Rapide” Ivato, manomboka eo amin’ny “rond-point” Don Bosco Ivato ka hatreny amin’ny “rond-point” Andranotapahana. Mifandray avy hatrany amin’ny Rn4 sy ny “Route de la Francophonie” Ambohitrimanjaka, mitohy hatreny Andohatapenaka, io lalana io. Lalana malalaka manana sakany 12 metatra: arabe ho an’ ny fiara ny 7 metatra, ary misy lalana manokana ho an’ny mpandeha an-tongotra koa amin’ ny sisiny.
Notanterahana omaly moa ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy io ampahan-dalana io. “Dingana iray lehibe amin’ny fanatsarana ny fifamoivoizana izao fisokafana izao, hahafahana manamaivana ny fitohanan’ny fiara, indrindra amin’ny fotoana fidirana sy fivoahana eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato”, hoy ny nambaran’ny Minisitry ny Asa Vaventy Rafidison Richard Théodore. Ny fiaraha-miasan’ny Governemanta Malagasy sy ny Eximbank Chine no nahafahana nametraka ny fotodrafitrasa. Ny orinasa CRBC kosa no nanatanteraka ny asa fanorenana. Ho mariky ny fiaraha-miasa maharitra sy ny fanohanana mitohy amin’ny sehatra fotodrafitr’asa dia nanotrona io fotoana omaly io ihany koa ny Masoivohon’i Chine eto Madagasikara, Sem Ji PING.
S.S




