Songadim-baovaoToekarena

IVON-TOERAM-PANOFANANA MANARAKA NY FENITRA: Nampahafantarina bebe kokoa ny daholobe ny momba ny MSA

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny “varavarana misokatra” nataon’ny Ivon-toeram-panofanana manaraka ny  fenitra iraisampirenena “Madagascar Security Academy (MSA)” tetsy Andakana. Fotoana izay nahafahan’ny  daholobe namantatra bebe kokoa mahakasika ny MSA izay sy ny tolotra  fiofanana azony omena. Ny MSA moa dia ivon-toeram-panofanana iray ao anatin’ny Vondrona Sodiat. Any Andakana no misy azy, ary mihoatra lavitra noho ny ivon-toeram-pampiofanana tsotra ny MSA. Izy dia akademiam-piofanana tena izy, manara-penitra ara-pitaovana, natsangana mba hamaly ireo hetaheta maro mahakasika ny fiofanana sy ny fampivoarana arak’asa eo amin’ny sehatra stratejika. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fiarovana manokana, amin’ny alalan’ny fampiofanana feno ny mpianatra ho lasa matihanina sy mahay, ny fiarovana ny seranam-piaramanidina, iaraha-miasa amin’ny SPSS/AMARANTE, ny fampiofanana amin’ny fandraisam-bahiny manara-penitra, izay hiarahana miasa amin’ny Havila School, ny toeram-pitsaboana ny biby, miompana amin’ny fanasitranana sy fiahiana azy ireo, ary ny sampana cynophile, izay manana ny tolotra-ny manokana (famantarana, fiarovana, fanohanana) sy manofana ireo mpiasa miaraka sy ny alika araky ny fenitra matihanina indrindra.

Nahazo fankatoavana

Araka ny fanamafisana avy amin’ny PDG Maminiaina Ravatomanga dia niara-niasa tamin’ireo matihanina sy mpiara-miombon’antoka manana traikefa izy ireo, mba hanolotra fiofanana hentitra, miorim-paka amin’ny tena zava-misy eto an-toerana. Efa nahazo fankatoavana avy amin’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) ny MSA, midika fa afaka manofana amin’ny fomba mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena sy nasionaly.

Ny fisian’ny MSA dia manatratra ireo fanamby mahakasika ny fampivoarana arak’asa, ny fiarovana, ny fiandrianam-pirenena ary ny fampandrosoana ara-toekarena. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny finiavana hanofana talenta eto an-toerana — ho an’i Madagasikara ary ho an’i Afrika — izay vonona hanatratra sy hiatrika ireo fanamby amin’ny ho avy.

« Ho anareo tanora, matihanina, sy mpiara-miombon’antoka liana rehetra : eto no iandohan’ny ho avy. Aoka isika no ho mpanorina ny ampitso”, hoy ny PDG Maminiaina Ravatomanga.

MPIASAN’NY VONDRONA SODIAT : Niala voly

Nifanindran-dalana tamin’ny varavarana misokatra ny karazana « jeux corporatif »-n’ny mpiasa ao anatin’ny vondrona Sodiat izay nifarana omaly. Nahazo androm-pialamboly nahafahana nifankalala misimisy kokoa sy nanovozana vitrika ombana ainga vao ny mpiasa manontolo teo anivon’ny Vondrona Sodiat ny faran’ny herinandro teo. Fotoana ihany koa nifanakaikezan’ny tomponandraikitry ny orinasa sy ny mpiasa tsy ankanavaka eo anivon’ity Vondrona miavaka noho ny tanjany sy ny fahombiazany ity.

Taranja maromaro no nifaninanana tamin’izany toy ny tsipy kanetibe, ny baolina kitra, ny basikety. Teo koa nefa ny fampisehoana nataon’ireo mpiangaly haiady.

Tsy vao sambany akory no nisy androm-pialamboly nanovozana ainga vao sy vitrika vaovao tahaka izao teo anivon’ny Vondrona Sodiat saingy sambany kosa no nanatanterahana izany teny amin’ny MSA(Madagascar Security Academy)ilay ivotoeram-panofanana sangany aty amin’ny Ranomasimbe Indianina.

Niafara tamin’ny sakafo mitam-pihavanana moa ny hetsika omaly nialohavan’ny fanolorana amboara ho an’ireo mpandresy tamin’ny fifaninanana voatanisa etsy ambony. Nanolotra ny amboara ho an’ireo mpandresy ny Filoha Tale Jeneralin’ny Vondrona Sodiat, Maminiaina Ravatomanga. Samy nankasitraka izao androm-pialamboly izao moa ireo mpiasa maro be tonga teny an-toerana ary mampita ny fisaorana sy fankatelemana ho an’ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany fa indrindra ny Filoha Jeneraly.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer