Songadim-baovao
Ivon-toeram-panofanana Soa Mahamanina : Hanampy ireo tanora amin’ny firosoana ny sehatry ny asa
Notontosaina omaly, tao amin’ny Vohitra misandratra Ambolomanjakarivo, kaominina Soamahamanina, anatin’ny distrikan’Itasy, ny fanokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Ivon-toeram-panofanana arakasa Soa Mahamanina, izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika. Vokatry ny ezaky ny mpikambana ao anatin’ny governemanta sy ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina no nahafa-nanatanteraka izao fotodrafitrasa izao. Fanadihadiana…

Notanterahina omaly tao amin’ny Vohitra Misandratra Ambolomanjakarivo, kaominina Soamahamanina, distrikan’i Miarinarivo, anatin’ny Faritra Itasy, ny fanokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Ivon-toeram-panofanana arakasa Soa Mahamanina. « Mba hahitan’ireo asa ho an’ny tanora ka hahafany miatrika ny tsenan’ny asa, no anisan’ny antom-pisian’ity Ivon-toeram-panofanana arakasa ity. Hanohanana ireo tanora amin’ny firosoana ny sehatry ny asa, mba hahafahan’izy ireo mamaly ny fifaninanana eo amin’ny tsenan’ny asa. Ny fanofanana arakasa no manakaiky vahoaka satria antoky ny fampandrosoana lovain-jafy ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny asa », hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Ernest Tsikel’Iankina. Io ivon-toeram-piofanana io, dia porofo mivaingana, ny fisian’ny fiaraha-mientana sy ny fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana sy ny sehatry ny tsy miankina. Angady nanana sy vy nahitana ny ivon’izao fitokanana izao, Rtoa Volanirina Andriamananoro sy ny Laulanie Green University, izay soloin-tenan-dRazakandrema Andria ary Hamon Randriamahary, mpanorina ny Laulanie Green University.
Fampandrosoana lovain-jafy…

Ny fijoroan’ny Ivon-toeram-panofanana arakasa toa izao, dia antoka ho an’ny tanora malagasy, indrindra ny fanofanana arakasa. Ireo tanora, no solofo dimbin’ny ala. Koa entanina ireo tanora, mba tsy hamerimbery foana tahaka ny menaka nahoso-bazaha, fa hanana zotom-po sy hanana fahaiza-manao, ka hikajy ny ivon-toeram-panofanana, raha ny fanazavan’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa hatrany. Tsaroana mandrakariva fa ny asa dia tandroka aron’ny vozona, isian’ny fampandrosoana lovain-jafy, isian’ny fandriampahalemana maharitra eto Madagasikara. Hanoro lalana izorana ireo tanora ireo mpanabe, fa ny hazo no vanon-ko lakana dia ny tany naniriany no tsara. Ireo mpiara-miombona antoka, isan’ireo fikambanana hamolavola ireo tanora, mba ho vy mampiaina ny fampandrosoana eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina.
Fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa

Tafiditra tao anatin’ny fanatontosana ny lanonana omaly, tao Ambolomanjakarivo ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa, teo amin’ireo mpiara-miombona antoka sy mpiara-miasa toy ny Fikambanana Defi sy ny Ivon-toeram-panofanana arakasa Soa Mahamanina ary ny English Language Institute ary ny Laulane Green University. Ity ivon-toerana ity rahateo, dia eo novolavolain’ny Fikambanana Defi, mba hoenti-manatsara ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara, indrindra iny amin’iny Faritra Itasy iny. Ny lanonana dia teo ambany fiahian’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Ernest Tsikel’Iankina sy ny Tale jeneraly misahana ny Tetikasan’ny Filoham-pirenena eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, Augustin Andrimananoro.

Isan’ireo tonga nanotrona ny fotoana ny Loholona Herilaza Imbiki, filoha lefitry ny Antenimierandoholon’i Madagasikara, ny minisitry ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny Fampivoarana Haitao ara-kajy mirindra, Andrimanohisoa Ramaherijaona ary ny Governoran’ny Faritra Itasy sy ireo solombavambahoaka voafidy tany amin’iny Faritra iny. Ny fanokanana izao Ivon-toeram-panofanana arakasa Soa Mahamanina ao amin’ny Vohitra misandratra ao Ambolomanjakarivo izao, dia tafiditra tanteraka amin’ny fanatanterahana ny Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika.



