Songadim-baovao

IVON-TOERAN’NY KOLONTSAINA MALAGASY : Marobe ireo tanora liana amin’ny fianarana kabary

Nisokatra ny alahady lasa teo ny fanofanana kabary eo anivon’ny Ivon-toeran’ny kolontsaina malagasy. Raha noheverina fa ireo efa zokinjokiny no miroso amin’ny fianarana kabary. Marobe ireo tanora no mirotsaka an-tsehatra miofana izany…

Ampahany amin’ireo mpiofana kabary etsy amin’ny IKM Antsahavola.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny alahady lasa teo, ny fampianarana kabary, teo anivon’ny Ivon-toeran’ny kolontsaina malagasy (IKM). Tafiakatra tany amin’ny 50 mahery ireo mpiofana nanoina ny antso nataon’ity Ivon-toerana manandratra ny kolontsaina malagasy ity. Raha ny nambaran’ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny IKM, Rakotomenjanahary Samson fa « marobe ireo kolontsaina malagasy na vahiny, voizina eo anivon’ity ivon-toerana ity, saingy tsy hita taratra tao ny momba ny fandaharan-teny, indrindra ny kabary malagasy ». Antony nahatonga azy ireo resy lahatra ka nanokatra ny fampianarana kabary. Ny mampiavaka ny fampianarana kabary ao amin’ny ivon-toerana, dia mpikabary avy amin’ny Fikambanana samy hafa no hifampizara fahalalana ho an’ireo olona liana sy te handalina misimisy kokoa ny lafiny kabary sy ny tontolon’ny fandaharan-teny.

Mizara roa ireo manovo fahalalana eo anivon’ity fampianarana kabary vaovao etsy amin’ny IKM Antsahavola ity, satria misy ireo vao mianatra kabary sy ny tontolony. Toy ny kabary an-kafaliana, ny kabary an-karatsiana, ary indrindra ny kabary am-panambadiana. Ankoatra ireo, misy koa ny sehatry ny fandalinana, ho an’ireo efa mpikabary indray. Raha ny angom-baovao, marobe ireo efa nasandratra ho mpikabary nivoaka tamina toeram-piofanana isan-tokony, saingy mbola te hanatevina ny fahaizany sy ny fahalalany. Misy koa ny fiofanana natokana ho an’ireo efa mpikabary na ireo vao miana-mamindra na ireo efa matihanina. Isan’ny hianaran’izy ireo ny momba ny « Haifizaka », ny tantara sy fomba, ny fanentanana lanonana, ny ady an-kabary sy ny maro hafa. Tsy mialon-jafy ny fampiofanana kabary eo anivon’ny IKM etsy Antsahavola, ary mikendry ny hampijoro ny vovonan’ny Mpikabary izy ireo.

Fermer