KolontsainaSongadim-baovao

JERY TODIKA 2023 – KOLONTSAINA: Maherin’ny 84 389 ireo efa nitsidika ny Rovan’i Madagasikara

Anisan’ireo sehatra nisongadina sy niroborobo ny tontolon’ny Kolontsaina nandritra ity taona 2023 ity. Ankoatra ny fahavitan’ireo fotodrafitrasa goavana samihafa, dia dingana goavana vita ihany koa ny nahatafidirana ny Hiragasy ho isan’ireo Harembakoka ara-tsain’ny zanakolombelona eo anivon’ny Unesco.

Nanamarika ity taona 2023 ity teo amin’ny lafiny kolontsaina ny nisokafan’ny Rovan’i Madagasikara ho azon’ny daholobe tsidihina indray nanomboka ny alahady 18 Jona, taorian’ny asa fanavaozana nataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tao an-toerana. 28 taona no niandrasana ny fisokafan’ny Rovan’i Madagasikara indray, taorian’ny nahamaizany ny 6 novambra 1995. Isan’ireo nohavaozina ny Lapa Manjakamiadana izay ahitana ny mikasika ireo Faritra 23 amin’ny maha-Rovan’i Madagasikara azy, ahitana koa ny tantaran’ireo Mpanjaka nifandimby teto Madagasikara, na fampirantiana na horonantsary na ny 3D (hologramme) ihany koa. Nitondra fanavaozana ihany koa ny Lapa Besakana, Lapa Mahitsielafanjaka, ny Fiangonana Anatirova, ny Kianja Andrianjaka, ny Kianja Masoandro. Tsara ho fantatra fa natao manaraka ny fenitra takian’ny vaninandro ankehitriny ny Mozea, tahaka ny fahita maneran-tany, misy fiarovana amin’ny haintrano, misy fandehanan’ireo olona manana fahasembanana, misy fihainoana ny fanazavana amin’ny teny malagasy, frantsay na anglisy (audioguide)…

Araka ny tarehimarika azo tamin’ity herinandro ity, dia efa maherin’ny 84 389 ireo olona tonga nitsidika teny an-toerana. Ny 73 494 tamin’ireo dia Malagasy, raha toa kosa ka teratany vahiny ny 10 895. Amin’ny ankapobeny, mahaliana olona maro ny eny amin’ny Rovan’i Madagasikara. Nisy tamin’ireo Filoham-panjakana tonga nanatrika ny Lalaon’ny Nosy teto amintsika no tonga nitsidika ny Rova. Ankoatra izay, dia Masoivoho sy vahiny manan-kaja maro hafa koa no efa teny amin’ity toerana manan-tantara ity. Nanamafy ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina fa mariky ny Hambompom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana no nahavitana tanteraka izao asa izao, izay natao fanamby mihitsy, hampitàna amin’ny taranaka faramandimby aty aoriana izany soatoavina maha-malagasy izany. Famerenana ny hasina sy ny maha-Izy ara-kolontsaina no atao, ary fampahafantarana ny tantaran’ny firenena mba hamelomana hatrany izany fitiavan-tanindrazana izany ao am-pon’ny Malagasy tsirairay avy.

Tsiahivina fa tamin’ny 06 novambra 2020 no notokanana ny Rovan’i Madagasikara.

HAVORIA

Isan’ireo notokanana tamin’ny volana septambra tamin’ity taona ity koa ny Havoria na « Auditorium et Musée de l’Audiovisuel de Madagascar ». Fotodrafitr’asa moderina anomezan-danja ny vakoka sy tantara ary tahirin’ny haino amanjerim-pirenena ny HAVORIA. Mandrafitra azy ny Mozea mirakitra ny tantaran’ny haino amanjerim-panjakana sy ireo nisava làlana izany, ampirantiana ihany koa ny tahirim-pitaovana nampiasain’ny ORTM hatramin’ny niforonany, ka ny ampahany amin’ny fitaovana aranty dia avy amina tsara sitrapo namaly ny antson’ny Minisitera. Eo koa ny « Auditorium » izay efitrano lehibe fanaovana fampisehoana mahazaka olona hatramin’ny 650, tsara toerana ka afaka jifain’ireo te hikarakara lanonana sy fampisehoana, no sady ho ampiasain’ny TVM hamokarana fandaharana mivantana ihany koa. Misy koà ny trano fisakafoanana sy birao isan-karazany ho an’ny mpanakanto sy mpanao gazety. Ary efitrano maro fampirantiana sy fivoriana ary fampiofanana.

Mozea Rainilaiarivony

Nanamarika ity taona ity koa ny fahavitan’ny Mozea Rainilaiarivony etsy Amboditsiry. Ity farany izay trano fonenan’ny Praiminisitra Rainilaiarivony taloha eny Amboditsiry, ary nohavaozin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tanteraka nanomboka ny taona 2020. Raha tsiahivina, tamin’ny taona 1978 no lasa harembakom-pirenena ity toerana ity, rehefa novidian’ny Fanjakana Malagasy tamin’ny taranaky Rainilaiarivony mba ho fiarovana azy. Nisy olona nipetraka tao, hany ka tsy nisy fikojakojana mihitsy ny tanana. Ny taona 2019 no niroso tamin’ny fanalana ireo olona nipetraka tao ny Minisitera mba nahafahana nanao ny asa fanarenana. 45 taona taty aoriana araka izany vao nisy ny fandraisan’ny fitondram-panjakana an-tànana ny fanarenana ny toerana ary namadihana azy ho Mozea azon’ny daholobe tsidihina mba hampahafantarana ny tantaran’ity Praiminisitra izay nanjaka ela indrindra teto amin’ny firenena ity. Manomboka izao dia azo tsidihina ny Mozea Rainilaiarivony, aty ampiandohana dia 500 Ar ny saram-pitsidihana ho an’ny Malagasy ary 5.000 Ar ho an’ny vahiny. Rehefa Alarobia tolakandro kosa dia misokatra maimaimpoana ho an’ny mpianatra.

OMDA

Tamin’ny volana janoary tamin’ity taona ity ihany koa no tontosa ny fifidianana izay ho mpikambana indray tao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny ofisy malagasin’ny zon’ny mpamorona (OMDA). Tontosa nandritra io fivoriambe io ihany koa ny fifidianana ireo mpanakanto isan-tsokajiny handrafitra ny Filan-kevitra vaovao hitantana an’ity rafitra miankina amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity. Marihina moa fa manana anjara toerana 07 ny mpanakanto. Araka ny fantatra dia mbola niverina voafidy ho Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny OMDA indray Razafiarison Francis izay efa nisahana io andraikitra io tamin’ny fepotoam-piasana teo aloha.

HIRAGASY: Nahazo kianja manokana, tafiditra ho Harembakoka ara-tsain’ny zanakolombelona

 Ny taona 2023 koa no notokanana ny Kianjan’ny Hiragasy. Sambany teo amin’ny tantara ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny hiragasy no nahazo kianja amin’ny Fitondram-panjakana. Mahazaka mpijery manodidina ny 700 ny toerana, ahitana toerana fiomanan’ny tarika mialohan’ny isehoana vahoaka, ao an-toerana koa ny Biraon’ny Federasion’ny Hiragasy. Tetsy ankilany, tafiditra ao anatin’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny Hiragasy nanomboka ny Talata 05 Desambra 2023 alina. Nandritra ny fivorian’ny Komity Faratampony mandinika sy mamoaka ny lisitra vaovaon’ny harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona izay atao any Botswana no nanapahana izany. Mandray anjara amin’izany fivoriana avo lenta izany ny firenena malagasy amin’ny alalan’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny alalan’ny teknolojia ampitain-davitra. Marihina fa ny 10 desambra teo dia efa nisy ny lanonana ofisialy nanamarihana ity fidiran’ny hiragasy ho ao anatin’ny lisitr’ireo Harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ity.

Ampahany tamin’ireo sehatra tena nisongadina ihany ireo fa mbola maro ireo vaovao niavaka tamin’ity taona ity raha ho an’ny sehatry ny Kolontsaina manokana.

Fermer