PolitikaSongadim-baovao
JERY TODIKA 2023 – POLITIKA : Taom-pandresena ho an’i Andry Rajoelina
Taom-pifidianana ho an’i Madagasikara ny 2023. Mazava ho azy, saika nifantohan’ny adihevitra sy ny matoam-baovao teo amin’ny sehatry ny politika ny fifidianana Filoham-pirenena. Na izany aza, isan’ny vaovao ara-politika nisongadina tamin’ity taona ity ihany koa fahavitan’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, sy ny hetsik’ireo Kandidà 10 izay nanao fitakiana manodidina ny firosoana amin’ny fifidianana.
Nanamarika ny enim-bolana voalohan’ity taona 2023 ity ny fanatanterahan’ny teo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy na ny “Refonte” izay didin’ny lalàna tsy maintsy atao isaky ny 10 taona. Nanomboka ny Oktobra 2022 ny Ceni no niroso tamin’izany asa izany, ary tsy nifarana raha tsy ny Jolay 2023. Raha toa ka olom-pirenena miisa 13.593.006 no nokasaina ho ampidirina ao anatin’ny lisitry ny mpifidy tany am-piandohana tao anatin’ny fanatanterahana io “refonte” io, dia miisa 11 043 836 no tratra hatramin’ny 21 jolay 2023, nandrafetana farany ny Rejisi-pifidianana. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Ceni, Dama Arsène Andrianarisedo, miisa 1.924.648 ireo olom-pirenena nisoratra anarana tao anatin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (RALE) tokony mbola ho hita hisoratra anarana tao anatin’ny fanavaozana tanteraka, kanefa tsy nisoratra. “Raha toa ka tafiditra ao anaty lisitra izy ireo dia tokony ho 12.963.484 ireo olompirenena voarafitra ao anaty rejisi-pifidianana nasionaly”, hoy ny fanazavana.
Na izany aza, nazavain’ny Filohan’ny Ceni ireo antony mety tsy nahatafiditra ny olompirenena ao anaty fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Voalohany amin’izany, ny fiheverena fa efa voasoratra tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy nisy tany aloha ka tsy mila misoratra intsony. Eo koa ny fifindran-toerana sy fifindra-monina matetika. Tsy vitsy koa ireo olom-pirenena tsy nahafantatra ny fisian’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Ary koa ny fisalasalana na ny tsy faharisihana ny hisoratra ao anaty lisitry ny mpifidy.
Raha mitaha tamin’ny antontanisa voaray tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (RALE) farany teo kosa, izay niisa 10 749 934, dia nisy fitomboana 293 902 ireo olom-pirenena voasoratra ao anatin’ny Rejisi-pifidianana.
Hetsiky ny Kandidà 10
Nisongadina tamin’ity taona 2023 ity ihany koa ny hetsik’ireo Kandidà ho Filoham-pirenena miisy 10 izay nanana fitakiana vitsivitsy mialohan’ny ambaran’izy ireo fa hirosoana amin’ny fifidianana. Isan’izany ny hanovana ny Ceni sy ny HCC, ny hanomezana ny Fitantanana ny firenena ho an’ny Filohan’ny Antenimierandoholona tamin’izany fotoana, ary ny fanesorana ny Kandidà Andry Rajoelina izay ambaran’izy ireo fa tsy mizaka zom-pirenena malagasy intsony noho ny fizakany zom-pirenena vahiny. Mialohan’ny fampielezan-kevitra dia efa nisy ny fidinana an-dalambe sy ny fitarihana olona ho eny amin’ny kianjan’ny 13 Mey nataon’izy ireo. Nandamoaka hatrany anefa izany satria nisy ny fandraisana fepetra nataon’ny Mpitandro filaminana amin’ny maha hetsika tsy nahazoana alalana ny ataon’izy ireo. Nandritra ireo fidinana andalambe ireo, izay nambara fa hetsika fotsy sy am-pilaminana, dia nisy ny voasambotra ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Raikitra ny fifidianana!
Na teo aza anefa ny fitakian’ireo Kandidà 10, dia raikitra ihany ny fifidianana, izay nisiana kandidà miisa 13. Ankoatra ireo kandidà natao fitakiana dia isan’ireo nanao fampielezan-kevitra ny Kandidà laharana faha-3 Andry Rajoelina, ny Kandidà laharana faha-11 Raderanirina Sendrison Daniela, ary ny Kandidà laharana faha-13, Randrianasoloniaiko Siteny Thierry. Ny 16 Novambra 2023 no natao ny latsa-bato nanerana ny Nosy. Fotoana izay natrehin’ireo mpanara-maso maro avy eto an-toerana sy avy amin’ny sehatra iraisampirenena. Ireto farany izay samy nanao tatitra mihabo avokoa momba ny fifidianana Filoham-pirenena notanterahina teto Madagasikara. Voahaja ny fenitra iraisampirenena amin’ny fanatanterahana ny fifidianana, hoy ireo mpanara-maso. Tsy nisy ihany koa ny Korontana sy ny savorovoro fa nizotra tamim-pilaminana avokoa ny zavatra rehetra. Na izany aza, nametrahan’ireo mpanara-maso ahiahy ihany ny fitakiana nataon’ireo Kandidà 10 izay nambaran’ireo fa tokony hametrahana sehatra ifampiresahana isorohana ny krizy politika izay tsy ho tsara ho an’ny firenena.
Lany fihodinana voalohany i Andry Rajoelina
Vita teo amin’ny fihodinana voalohany ny fifidianana Filohan’ny Repoblika teto Madagasikara tamin’ity taona ity. Nambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny 01 desambra teo ny voka-pifidianana ofisialy, ka fantatra tao anatin’izany fa mitarika amin’ny salanisa 58,96% ny Kandidà Andry Rajoelina. Araka ny andininy faha-65 ao amin’ny Lalàna fehizoro laharana 2018-008 momba ny fitondrana ankapobeny fifidianana sy ny fitsapakevi-bahoaka, dia ambaran’ny HCC fa voafidy tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany ny mpilatsaka hofidiana, izay nahazo ny antsasa-manilan’ny vato manan-kery. Noho izany indrindra no nanambarana fa lany avy hatrany tamin’ny fihodinana voalohany andriamatoa Andry Rajoelina.
Ny Kandidà laharana faha-13 kosa no faharoa izay nahazo ny salanisa 14,39%, ary ny kandidà laharana faha-5 no fahatelo, nahazo ny salanisa 12,09%. Araka izany, nodidian’ny HCC fa miverina ny antom-bolan’ireo Kandidà roa ireo, miaraka amin’ny ny an’ny Kandidà Rajoelina noho ny fahazoan’izy ireo ny salanisa maherin’ny 10% avy.
Tsara ho fantatra fa nanodidina ny 46% ny taham-pahavitrihana tamin’ny fifidianana.




