Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
JIOLAHY NIKASA HANAFIKA TENY BEHORIRIKA : Telo lahy lavon’ny Polisy teny amin’ny tohatohabaton’Ambondrona
Jiolahy miisa telo no indray lavon’ny Polisin’ny UIR tetsy amin’ny tohatohabaton’Ambondrona, ny 12 desambra lasa teo. Ireto farany, izay fantatra fa nikasa hanatanteraka fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny faritr’i Behoririka iny. Ao anatin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana amin’ireo faritra maromaro manerana ny Nosy indrindra ny Polisim-pirenena amin’izao ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao, ka hetsika maro tanterahina ao anatin’izany. Anisan’izany ny fidinana ifotony sy ny fisafoana tanterahin’ny Polisim-pirenena. Tao anatin’izany indrindra, tamin’io daty voalaza io dia andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana nikasa hanafika tamin’iny faritra Behoririka iny no sendran’ireto Polisn’ny CUI sy ny UIR ireto, izay nanao fanamiana sivily. Avy hatrany dia nandositra nihazo ny elakelan-trano miakatra an’Ambondrona izy ireo, saingy mbola nampitandrina ny Polisy ny hijanonany. Nikasa hanohatra ihany ireto farany, ary iny hamoaka ny fitaovam-piadiana teny aminy iny ireto jiolahy, dia voatery nitifitra azy ireo ny Polisy ka lavo avokoa izy telo lahy. Fantatra tamin’ny fanamarinana azy ireo fa isan’ireo rain-dahiny amin’ny asa fanendahana sy fanafihana mitam-piadiana eny amin’ny manodidinan’i Behoririka eny ireto jiolahy lavo, ary efa naharaisana fitarainana maro ihany koa. Anisany fiaraha-miasa hahafahana miady amin’ny asan-jiolahy ny fanomezana loharanom-baovao marim-pototra avy amin’ny olom-pirenena tsirairay mahita na mahatsikaritra fihetsika hafahafa eny anivon’ny fiarahamonina.
Stan R.



