Songadim-baovaoToekarena

« JIR » ANDIANY FAHA-10 : Nampisongadina ireo otrikarena ananan’ny Faritra Diana

Nikatona tanteraka ny alahady teo ny Hetsika Iraisam-pirenena ho an’ny Faritra (JIR) andiany faha-10, izay notanterahina tao an-tampon-tanànan’Antsiranana nandritra ny telo andro. Ny Governoran’ny Faritra Diana Taciano Rakotomanga no namarana izany tamin’ny fomba ofisialy sy tamin’ny anaran’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Praiministra Ntsay Christian ary ny Ministra mpiahy ny hetsika Rasata Rafaravavitafika. Tao anatin’ny lahateniny no namintinany ireo zavatra novoaboasina nandritra ireo andro telo, izay nentina nanehoana ireo harena sy otrikarena misy ao amin’ny Faritra Diana. Anisan’izany ny filàna angovo ahafahana mampiroborobo ny toekaren’ny faritra, ny fambolena izay ahafahana miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ary ny fizahan-tany izay fanoitra lehibe amin’ny fampandrosoana ny Faritra.
Nisolo-tena ireo Masoivohon’ireo firenena miasa eto Madagasikara tamin’ity lanonam-pamaranana ity moa ny Ambasadaoron’ny Nosy Comores , izay niarahaba ny Faritra Diana nahavita nikarakara ny JIR sy ny fahombiazany tao anatin’izany. Tsy nisalasala izy raha nilaza fa mahasarika an-dry zareo ny fizahan-tany sy ny jono ka vonona izy ireo hiara-miasa amin’ireo sehatra ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer