
PolitikaSongadim-baovao
JLY RAVALOMANANA RICHARD: Mampitandrina ny vahoaka tsy hanaiky hotarihina amin’ny fanakorontanana
Nandritra ny « Andron’ny manamboninahitra », afakomaly, dia naneho hevitra momba ny toe-draharaham-pirenena ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, manoloana ny fihantsiana tanterahin’ireo mitonona ho mpanohitra. « Niantso ny olona hidina eny amin’ny kianjan’ny 13 mey izy ireo, ny 11 janoary lasa teo, saingy tsy nisy olona nanoina ny antso. Nisy ireo niresaka momba ny fandrahonana sy ny fampihorohoroana ara-tsaina ireny, saingy tsy mihemotra amin’izany ny mpitandro filaminana. », hoy izy. Hentitra ny filohan’ny Antenimierandoholona nilaza fa miaramila nikomy aza vita ny nifehy azy, mainka fa sivily mihantsy hanao iray sy iray amin’ny mpitandro filaminana ? Tsy niolaka izy nanao antso avo ny olom-pirenena, ny amin’ny tsy tokony hanaikena ireo olona mampirisika amin’ny resaka fanakorontanana. Notsiahiviny fa ireo olona voasambotra na tazomina, dia tsy misy mijery akory. Isan’izany ilay lehilahy tratra tamin’ny fanaovana piraty ny tranonkalan’ny Ceni. Nanteriny fa tsy tokony hanaiky fanakorontanana satria ireo any ivelany dia tsy voakitika mihitsy, raha misy ny korontana miseho. Aleo manao ezaka, araka izay azo atao, mba hilaminan’ny tany sy fanjakana.
Tiana ny manamarika fa anisan’ny nasain’ny Fianakaviamben’ny Zandarimariam-pirenena nankalaza ny fetin’ny Manamboninahitry ny Foloalindahy malagasy, ny andron’ny 12 Janoary, ny jeneraly Ravalomanana Richard, filohan’ny Antenimierandoholona. Ho an’ity taona 2025 ity, dia « ny firahalahiana, sy firaisankinan’ny Foloalindahy ho an’ny Tanindrazana » no tara-kevitra nentina nanamarihana ny fetin’ny Manamboninahitra. Nohamafisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona fa « ny Manamboninahitra tsara ofana dia manaja ny lalàna velona sy ny fitsipi-pifehezana, ary ny asa rehetra ataony dia ho fiarovana ny Andriampanjakana, ny ain’ny vahoaka sy ny fananany ».
Rado Harivelo




