PolitikaSongadim-baovao
JLY RAVALOMANANA RICHARD : « Tsy manana olana amin’ny Fanjakana mahefa aho »
Naneho hevitra manoloana ireo resabe inian’ny mpanohitra voizina ankehitriny ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ary nilaza mahitsy fa tsy manana olana amin’ny Fanjakana mahefa mihitsy ny tenany, na amin’ny Filohan’ny Repoblika, na amin’ny Governemanta, ka tokony hatsahatra ny fanelezana tsaho sy ny fampiadiana ireo samy tomponandraikitra.
Taorian’ny fandaniana ny fandaharam-potoana omaly tetsy amin’ny Antenimierandoholona dia naneho hevitra manoloana ireo fanaratsiana maro atao eny amin’ny tambazotran-tserasera Andriamatoa Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Nandritra izany no nampaherezany ireo Loholon’i Madagasikara voakasik’ireo fanaratsiana maro. Notononiny manokana mihitsy moa ny Loholon’i Madagasikara, Lalatiana Rakotondrazafy, izay iharan’ny fanakianana matetika amin’ny tambazotran-tserasera. “Izahay Loholona rehetra dia manohana anao”, hoy izy nitodika tao amin-dRamatoa Loholona Lalatiana Rakotondrazafy.
Tao anatin’ny fandraisam-pitenenany no nanehoany fa miray hina sy mifankatia ny fianakaviamben’ny Antenimierandoholona. Nandritra izany koa no nanentanany ny rehetra tsy ho voasariky ny fampihorohoroana ara-moraly atao eny amin’ny tambazotran-tserasera.
Manoloana ny vaovao tsy marina voizin’ny mpanohitra kosa dia nambarany fa tsy manana olana amin’ny Fanjakana Mahefa ny Antenimierandoholona ary manohana hatrany ny Fitondram-panjakana. Tsara ho fantatra fa anisan’ny resaka naelin’ny avy amin’ny fanoherana ny hoe misy tsy fifankahazoana eo amin’ny Filoha Rajoelina sy ny Filohan’ny Antenimierandoholona. Na koa hoe disadisa eo amin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona sy ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy. Tsy misy mitombina avokoa anefa izany fa entina hampizarazarana fotsiny ihany, araka ny nambaran’ny Jly Ravalomanana.
Tokony izay mahasoa ny tanindrazana sy ny hiadanan’ny vahoaka malagasy hoy izy no imasoana mba hisian’ny tena fampandrosoana.



