PolitikaSongadim-baovao

JOE BIDEN: Voafidy ho filoham-pirenena amerikanina vaovao

Nandritra iny herinandro lasa iny, mbola ankamantatra tamin’ny besinimaro, indrindra ireo mpanarabaovao maneran-tany, ny ho valin’ny fifidiana izay ho Filoham-pirenena vaovao ao Amerika. Ny faran’ny herinandro teo, vita tanteraka ny fanisam- bato ary nivoaka ny vokatra farany. Lany tamin’izany I Joe Biden, avy amin’ny antoko demokraty.

Joseph Robinette Biden Jr, 77 taona, fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe Joe Biden, izy indray no hitondra an’I Amerika mandritra efa-taona. Nifarany ny faran’ny herinandro tokoa mantsy ny fanisam-bato taorian’ny fifidianana filoham-pirenena tany Amerika. Izy, arak’izany, no filoha amerikana faha-46 handimby an’i Donald Trump amin’ny alarobia 20 janoary 2021 izao. Tetsy ankilany, i Kamala Harris izay mpiray lisitra taminy, no ho filoha lefitra vehivavy voalohany amerikanina hisolo an’i Mike Pence. Araka ny angom-baovao, ny fandresena azon’i Joe Biden tao Pennsylvania, toerana nahaterahany, no nahazoany ireo mpifidy vaventy 284, izay efa nihoatra ny fetra isa 270 takiana, raha te ho voafidy ho filohampirenena any Etazonia. Etsy ankilany, mitsipaka hatrany ny voka-pifidianana ny Filoha am-perinasa Donald Trump. Izy izay mitaky ny hamerenana ny fanisam-bato any amin’ireo fanjakana sasantsasany ao Amerika. Fihetsika izay heverin’ny mpanara-baovao fa tsy hampiova na inona na inona intsony. Efa fomban’ny fifidianana ao Amerika rahateo ny fifanakaikezan’ny isa amin’ny fifidianana Filoham-pirenena tahaka izao.

Vonona hiara-hiasa ny Filoha Rajoelina

Hatramin’ny omaly dia efa betsaka ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana efa niarahaba sy nirary soa ity Filoha amerikanina vaovao ity. Isan’izany ny Filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Ity farany izay niarahaba ny vahoaka sy ny rafitra amerikanina rehetra tamin’ny fanetsehana indray ny hery demokraty any an-toerana. “Vonona tanteraka I Madagasikara hiara-hiasa amin’ny fitantanana vaovao mba hanamafisana ny fiarahamiasa sy ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta”, hoy ny fanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina. Ho an’i Madagasikara sy ireo firenena andalam-pandrosoana manokana, fanantenana vaovao amin’ny lafiny fampandrosoana sy ny fiaraha-miasa amin’ny amerikanina indray ny fahalanian’I Joe Biden. Raha tsiahivina tokoa mantsy, nandritra ny Fitondran’ny Filoha amerikanina teo aloha, Barack Obama, izay demokraty, no anisany nampiroborobo ny fifandraisana teo amin’ny afrika sy amerika, indrindra teo amin’ny famoronana asa sy fananganana indostria. Isany nisitraka izany I Madagasikara. Somary tsy hita soritra kosa anefa izany tamin’ny fitondran’I Donald Trump, avy amin’ny antoko repoblikanina, izay nanova tanteraka ny fitantanana, indrindra ny fifandraisana tamin’ireo firenena hafa.

Teraka ny 20 novambra 1942 tao Scranton, Pennsylvania, i Joseph Robinette Biden Jr. Izy izay ho feno 78 taona amin’ny 20 novambra 2020 ho avy izao. Efa filoha lefitra Amerikanina nanomboka ny taona 2009 ka hatramin’ny 2017, nandritry ny fitondrana Barack Obama I Joe Biden. Mpanao politika Amerikanina be mpahalala sy malaza izy. Voafidy Senatera federaly ho an’i Delaware teo amin’ny faha-31 taonany, tamin’ny 1973, ka hatramin’ny 2009 ny tenany. Fehiny, tsy vaovao eo amin’ny sehatra politika raha I Joe Biden.
Fermer