Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
JONO ATSANTSA TSY ARA-DALÀNA: Naiditra am-ponja ireo teratany “srilankais” miisa 8
Niakatra fampanoavana tao Mahajanga tamin’ny talata lasa teo ny raharaha mahakasika ny fandikan-dalàna amin’ny sehatry ny jono nahatrarana ireo teratany srilankais taty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Fantatra taorian’izany fa nampidirina am-ponja avokoa ireo Srilankais 8 mirahalahy tao anatin’ny sambo mpanjono mitondra ny anarana “Ruth Baba 6”, araka ny tatitra avy amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy omaly. Aorian’izao fampidirana am-ponja izao dia mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana tanterahin’ny Ministera, miaraka amin’ireo mpitandro filaminana, ka tanjona ny hanapaingotra ny mety ho mpiray tsikombakomba amin’ireo olona ireo eto Madagasikara.
Rehefa tena natao moa ny fizahana io sambo nentin’ireo Srilankais ireo tamin’ny 05 jona lasa teo, izay notanterahan’ny DIREDD Boeny-Betsiboka, ny “centre de surveillance des pêches”, ny fadintseranana, ny “police de l’immigration”, ary ny “brigade portuaire de Mahajanga”, dia fantatra fa mitotaly 17 143 kg ireo Antsantsa efa nojonoan’izy ireo antsokosoko. Karazana Antsantsa telo 3 no voakasika tao anatin’izany dia ny “Requins pointes blanches”, “Requin dagsit”, ary ny “Requin soyeux”. Ireo karazana antsantsa 2 ireo izay samy voarakitra ao anatin’ny tovana faharoan’ny lalàna CITES, ary voasokajy ao anatin’ireo biby atahorana ho lany tamingana. Mila fahazoan-dalana sy fepetra manokana ny fahafahana mitrandraka azy, hoy hatrany ny Ministera. Anton’ny fiampangana ireo vahiny ireo, noho izany, ny tsy fananan’izy ireo fahazoan-dalàna manjono aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara, ny tsy fahafan’ny sambo manjono « au large », ary ny fihazan’izy ireo biby arovana tsy avelan’ny làlana jonoina.
S.S




