KolontsainaSongadim-baovao

KABARY MALAGASY: Tafiditra ho isan’ny harentsaina tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona

Nankatoavin’ny Komity iraisam-pirenena momba ny Fifanarahan’ny Unesco ny fanoratana ny Kabary malagasy ho ao anatin’ny lisitry ny « harentsaina tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona » (Patrimoine Culturel Immatériel de l'Humanité), nandritra ny fivoriana nampitain-davitra natao omaly. Dingana lehibe ity vita ity, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, satria hampiakarana avo ny maha izy ara-kolontsaina malagasy.

Omaly 15 Desambra 2021 tamin’ny roa ora sy efapolo minitra tolakandro (ora malagasy), no nankatoavin’ny Komity iraisam-pirenena momba ny Fifanarahan’ny Unesco ny fanoratana ny Kabary malagasy ho ao anatin’ny lisitry ny « harentsaina tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona » (Patrimoine Culturel Immatériel de l’Humanité). Nandritra ny fivoriana nampitain-davitra, notarihin’ny Filohan’ny Komity, Andriamatoa Punchi Nilame Meegaswatte, no nandraisana izany fanapahan-kevitra lehibe izany. Nisolotena ny firenena malagasy nandritra io fivoriana nampitain-davitra io ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo izay nitondra ity fangatahana ity nanomboka ny taona 2020.

Zava-dehibe ity fankatoavan’ny Komity iraisam-pirenena momba ny Fifanarahan’ny Unesco ity, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, izay dingana iray lehibe hampiakarana avo ny maha izy ara-kolontsaina malagasy. “Andro lehibe ho an’ny Kolontsaina malagasy ny andro androany noho ity fanoratana ny “Kabary malagasy” ho haren-tsain’izao tontolo izao ity”, hoy hatrany izy.

Manome lanja ny teny malagasy

Lova ara-kolontsaina nampitain’ireo razambe teo aloha anjato taonany maro ny Kabary. Izy io dia fahaizana mandahateny sy mandresy lahatra amin’ny alalan’ny resaka tsara lahatra amin’ny fiainan’ny Malagasy andavanandro na an-kasoavana na an-karatsiana na amin’ny fomba amam-panao hafa. Manome lanja sy mampiaina ny teny malagasy ny kabary amin’ny ankapobeny ary ahitana taratra ny fomba fiaina sy ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny haingonteny sy ohabolana isan-karazany.

Izao dingana vitan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izao dia mifandrimbona amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha 13 nataon’ny Filoha Andry Rajoelina, izay mametraka fa ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena dia tokony ho hampiakarana ny hambompom-pirenena, hoy ny Minisitra Tomponandraikitra.

Ny Kabary, araka izany, no harentsaina faharoa tafiditr’i Madagasikara ho ao anatin’ny lisitry ny « harentsaina tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona », 13 taona aty aorian’ny nahatafidirana ny fahaizana taohazon’ny Zafimaniry. Ity farany izay tafiditra ho “Patrimoine Culturel Immatériel de l’Humanité », ny taona 2008.

Fermer