
PolitikaSongadim-baovao
KANDIDA 10 HO ENY AMIN’NY 13 MEY: Hanongam-panjakana, hitady rà mandriaka
Mikasa hanapoaka Grenady ao anatin’ny Vahoaka hirotsaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey ireo andian’olona mikasa hidina eny an-toerana anio, araka ny loharanom-baovao mari-pototra voaray. Manentana ny vahoaka rehetra , noho izany, ny eo anivon’ny Mpitandro filaminana mba tsy ho tafalatsaka anatin’ny vela-pandriky ny Mpanao politika sy ireo manana tombontsoa amin’ny hisian’ny savorovoro.
Tao anatin’ny resaka nifanaovan’ny Mpitandro filaminana tamin’ny mpanao gazety omaly no nanambaran’izy ireo fa hisy amin’ireo olona vitsivitsy hidina eny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey anio hitondra fitaovam-piadiana toy ny “grenade offensive”, ho apoaka any anaty vahoaka. Fikasana izay miendrika fanakorontanana avy hatrany. Tsy maintsy hisy ny fepetra horaisin’ny Mpitandro filaminana manoloana izany. Ny Prefektioran’Antananarivo, ny Jeneraly Ravelonarivo Angelo, rahateo, nilaza fa tsy nanao fangatahana ireo Vondron’ny Kandidà mikasa ny hiditra etsy amin’ny kianjan’ny 13 Mey anio ka noho izany dia tsy manara-dalàna ny hetsika izay hotanterahin’izy ireo. Hiafara hatramin’ny fisamborana ny fandikan-dalàna, raha ny nambarany. Nambarany fa anio amin’ny 5 sasany maraina dia tsy azo ifamezivezen’ny daholobe ny etsy Analakely sy ny manodidina. Ary hisy naoty avoaka ihany koa amin’ny tsy fahazoana mitangorongorona eny Antanimena, Behoririka, Ankazomanga, Petite vitesse, Ambohijatovo. Azo atao kosa ny mifamezivezy amin’ireo toerana ireo ankoatra ny fitangorongoronana.
Tetika fanonganam-panjakana
Tsiahivina fa nandritra ny famoriam-bahoaka nataon’izy ireo teny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny sabotsy teo dia nibaribary tanteraka ny fikasana hanakorontana ataon’ireo Vondron’ny Kandidà 10 niaraka tamin’ireo mpanara-dia azy ireo. Nifanaiky mantsy ireto kandidà tsy te hiroso amin’ny fifidianana ireto fa ho atao mafimafy kokoa ny tolona amin’ity herinandro ity, ary tsy hifarana izany raha tsy tonga eo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey. Voaporofo tao anatin’izany fa tsy fahafahana fanehoan-kevitra no notadiavina fa fanakorontanana sy fanonganam-panjakana mihitsy. Hoy indrindra mantsy ny Kandidà Marc Ravalomanana tao anatin’ny fandraisam-pitenenany hoe « teo amin’ny 13 Mey no nanonganany ahy tamin’ny 2009, dia eo koa no anoganantsika azy ». Ireo rehetra nifandimby fitenenana koa dia nanamafy ny tsy maintsy handehanana eo amin’ny kianjan’ny 13 Mey amin’ity herinandro ity, izay nambaran’izy ireo fa hamaranana ny tolona. Nandritra ny fidinana andalambe nataon’izy ireo teny Ambohitrimanjaka ihany koa dia mbola nanamafy io fikasana hanongam-panjakana io andriamatoa Ravalomanana Marc. Tsy maintsy handray fepetra, araka izany, ny Mpitandro filaminana, ka andrasana izay hiseho anio.
Ny Fanoratana.




