PolitikaSongadim-baovao

KANDIDÀ 10 – NIPOITRA NY NAFENINA…: Voamarina fa tahotra ny Kandidà Rajoelina no mibaiko

Nohirahiraina hatrany fa kandidà vazaha i Andry Rajoelina noho ny fizakany ny Zom-pirenena vahiny. Omaly, nipoitra nandritra ny fanadihadiana natao azy teny Fiadanana fa manana karatra manaporofo ny fizakany ny zom-pirenena frantsay ihany koa ny Kandidà Ratsietison Jean Jacques. Rehefa iza izany no mety dia rehefa iza dia tsy mety? Voamarina ankehitriny fa tahotra an’i Andry Rajoelina no mibaiko ireo Kandidà 10 ireo, satria ankoatra io resaka zom-pirenena io dia efa nambara ombieny ombieny fa ara-dalàna daholo ny nananganana ny HCC sy ny CENI ka tsy misy mihitsy antony tokony hitakiana ny fandravana azy.

“Tsy mila vazaha!”, io no anisan’ny antsoantso ataon’ireo Vondron’ny Kandidà rehefa manao fihetsiketsehana izy ireo, ary lohalaharana amin’izany ny Kandidà Ratsietison Jean Jacques. Akory anefa ny hagagan’ny rehetra omaly raha nahita ny karapanondro frantsay an’ity farany, izay manamarina ihany koa ny fizakany zom-pirenena frantsay, niparitaka taorian’ny fakana ambavany natao azy teny Fiadanana. Raha toa, araka izany, ka ny fisitrahan’andriamatoa Andry Rajoelina ny zom-pirenena vahiny hatrany no nanenjehana azy, dia nibaribary koa izao fa misy kandidà hafa manana, ary ny an’ingahy Ratsietison Jean Jacques izao no efa hitam-poko hitam-pirenena. Lasa kandidà vazaha koa izany izao Ratsietison Jean Jacques ? sa rehefa iza dia mety dia rehefa iza no tsy mety?

Nodradradradraina hatrany ny hoe tsy afaka ny hiaro ny tombontsoan’ny firenena sy ny fiandrianam-pirenena rehefa manana zom-pirenena hafa. Dia tsy mitombina indray izany io fanehoan-kevitra io rehefa amin’ny Kandidà Ratsietison Jean Jacques ? Midika izany fa tsy mitombina mihitsy ilay fanenjehana miharo fankahalana be fahantany ataon’ireo Kandidà 10 an’andriamatoa Andry Rajoelina. Ny dimy taona voalohany nitondran’andriamatoa Andry Rajoelina dia efa ampy hanamarinana ny fahafahany miaro ny tombontsoan’ny firenena malagasy sy ny fiandrianam-pirenena.

Tsy misy fototra iorenany intsony

Hatreto, araka izany, dia azo ambara ho tsy misy fototra iorenany intsony mihitsy ity lazaina fa tolona ataon’ireo Kandidà 10 ity. Fitakiana voalohany nataon’izy ireo mantsy io resaka zom-pirenena io, kanefa dia izao vaky bantsilana izao ihany koa ny fananan’izy ireo zom-pirenena vahiny. Fangatahan’izy ireo ihany koa ny fanoloana ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) fa hoe mitanila. Efa nambara teto ombieny ombieny anefa fa nanaraka ny Didy amam-pitsipika tokony ho izy avokoa no nametrahana ireo mpikambana eo amin’ity rafi-pitsarana ity ankehitriny, ka misy mihitsy antony ilazana fa olon’ny kandidà iray avokoa no ao anatiny. Mbola mitovy amin’izany ihany koa ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), izay tsy misy mihitsy manamarina ny tokony handravana azy satria ara-dalàna avokoa ny nitsangan’ireo mpikamban’ny birao maharitra ireo. Ary ny fomba fiasa rehetra nataon’ny CENI ankehitriny dia tsy ahitana taratra mihitsy ny lazaina fa fitanilana hiampangan’ny Kandidà 10 azy ireo. Inona, araka izany, no mbola hisisihana amin’ireo fitakiana efa hita fa tsy mitombina ireo? Tsotra ny valiny, dia ny tahotra ny Kandidà Rajoelina. Filàmboatsiary avokoa no natao hatramin’izay. Tanjon’izy ireo ny tsy  hisian’ny fifidianana ka hidirana amin’ny tetezamita mba hahazoana Fitondrana tsy amin’ny alalan’ny fifidianana. Ary nandritra ny famoriam-bahoaka nataon’izy teny amin’ny Coliséum Antsonjombe farany teo mihitsy ny Kandidà Marc Ravalomanana no efa tafateny fa ny tsy hisian’io fifidianana amin’ny 16 Novambra 2023 io mihitsy no tanjona. Hatreto anefa, miroso ny zotram-pifidianana, ary manamafy ny fanohanana ny fianakaviambe iraisampirenena.  

Ny Fanoratana.

Fermer