PolitikaSongadim-baovao

KANDIDA ANDRY RAJOELINA TAO MORAMANGA : « Tohizina ny tetikasam-pampandrosoana, tsy hisy kaominina hadino intsony »

Notanterahina omaly tao amin’ny Kianja manara-penitra, Moramanga ny fampielezan-kevitra ho an’ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Nandritra ny lahatenin’ny kandidà laharana fahatelo, nivoitra ny fitanisana ny zava-bita tao an-toerana. Isan’ireny ny sekoly, izay misy efitrano 24, afaka mandray mpianatra 1200. Ny Kianja manarapenitra izay natao ho an’ny tanora ary feno hipoka. Anisan’ny tsangambaton’ny fifankatiavana ihany koa ny nahavita ny lalam-pirenena 44 izay nilokalokan’ny mpanao politika sasany, saingy izy no nahavita azy.

Ho fanohizana ny tetikasam-pampandrosoana efa natombony, nanamafy ny kandidà Andry Rajoelina dia hisy aloha ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Ka tsy hisy kaominina ho hadino intsony. Manaraka izay, ny fanomezana faritra manokana an’i Mangoro, izay hanana ny renivohiny  ao Moramanga.

Ankoatra ny fotodrafitrasa efa vita, hiompana kokoa amin’ny sosialim-bahoaka, amin’izay ny tenany amin’ny 5 taona manaraka. Hojerena manokana ny mahakasika ny tsy fananana asa. Hapetraka, araka izany, ny “Zone emergence Industrielle”, izay hiara-dalana amin’ny fametrahana ny ivon-toerana lehibe famokarana angovo. Hanampy ny isan-tokatrano izany, indrindra ny tanora sy ny vehivavy. 

Nasongadiny manokana ny tao Moramanga, indrindra ny mahakasika ny zom-pireneny. Notsiahiviny fa ireo  mpitari-tolona fahiny dia manana ny zom-pirenena frantsay. Saingy tsy olana tamin’ny Malagasy izany fa ny zava-dehibe dia fahavononan’ilay olona hanompo sy hampandroso ny Firenena. “ Na amoizako ny aiko aza izany dia tsy maintsy vitako”, hoy izy. Nohararotiny tamin’izany ny tokony hanamafisan’ny mpanohana azy ny firaisan-kina, indrindra tsy hidirana amin’ny fifanaratsiana fa mila mandresy ny soa amin’ny ratsy.

Namaranany ny lahateniny omaly, ny fampirisihana ny olona handeha haka kara-pifidianana  hifidy ka handrotsaka ny vatony ho an’ny kandidà laharana fahatelo. Izany dia mba hahafahany manohy ny asa fampandrosoana efa natombony. Manentana ny mpifidy hanaramaso ny latsabato sy ny fanisam-bato izy. Mametraka fitokisana amin’ny fifankatiavana misy aminy sy ny vahoaka izy, ka raha nihoatra ny 60 % ny vato tamin’ny 2018 dia mino izy fa hihoatra ny 90 % izany amin’ny 16 novambra ho avy izao.

Nahazo tsodrano…

Tiana ny manamarika fa vahoaka marobe feno fitiavana no nanoina ny antson’ny kandidà laharana fahatelo, tao Moramanga. Nanomboka teny amin’ny kianjan’Ambohibary, nipetrahan’ny Angidimby hatreny amin’ny toerana nifanomezana dia nampiseho fitiavana lalina ny Kandida. Andry Rajoelina mivady ny mponina. Nitondra ny teny fisaorana azy ireo ny kandidà raha nanokatra ny lahateniny taorian’ny diabe niarahana tamin’ny mponina sy ny fikambanana samihafa niainga avy eo amin’ny garan-damasinina. Tsodrano avy amin’ny “Princesse de Bezanozano”, Rtoa Vincent Lucile no nanombohana ny fotoana. Ity farany izay nanamafy fa tsy hisy filoham-pirenena malagasy afa-tsy Atoa Andry Rajoelina. Izy irery ary tsy maintsy ho lany amin’ny fihodinana voalohany izy. Mivavaka ary manao vava amin’ny tsy maintsy hampandaniana azy ity raimandreny ara-drazana ity.

Rado Harivelo.

Fermer