PolitikaSongadim-baovao

KANDIDA HARILALA RAMANANTSOA: Ambony ny herijika handresena eto Antananarivo

Ankoatra ny maha vavitokana azy ao anatin’ireo mpifaninana ho amin’ny toeran’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, dia i Harilala Ramanantsoa irery ihany koa no efa manana ny traikefa sy ny fahaiza-manao amin’ny fitantanana ny Renivohitra, izay isan’ny mampiavaka azy. Raha ny fifandanjan-kery ara-politika amin’ny ankapobeny dia ambony ny herijika hibatan’ny Volomboasary ny fandresena indray amin’ity fifidianana Ben’ny tanàna eto Antananarivo ity.

Tokana ihany no kandidàn’ny Vovonana “Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR” eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, mandritra ity fifidianana Ben’ny tanàna 2024 ity, dia Ramatoa Harilala Ramanantsoa. Ny tenany no mitondra ny lokon’ny Volomboasary, izay azo antoka fa hibata ny fandresena fanintelony indray manoloana ny mpifanandrina avy amin’ny fanoherana.
Raha tsiahivina tokoa mantsy, efa nanomboka tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna tamin’ny taona 2007 no nisy voalohany ny fifanandrinana teo amin’ny Antoko TGV, tamin’ny alalan’andriamatoa Andry Rajoelina sy ny Antoko TIM izay nandrotsaka an’i Hery Rafalimanana tamin’izany fotoana. Nazava ny vokatra. Nivoaka mpandresy tamin’ny salanisa mazava 63 % andriamatoa Andry Rajoelina tamin’izany.
Mbola nitohy tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ny taona 2019 ny fifanandrinana, rehefa nandrotsaka an’andriamatoa Naina Andriantsitohaina ho Kandidà ny Vovonana miara-dalana amin’andriamatoa Andry Rajoelina, ary nanolotra an’i Rina Andriamasinoro kosa ny Antoko TIM sy ny fanoherana tamin’izany fotoana. Mbola resy fanindroany indray anefa ny TIM. Izy ireo izay milaza ho tompon’Antananarivo sy manana tanjaka ara-politika goavana eto afovoan-tany. Hafa anefa ny tarehimarika rehefa mandeha ny fifidianana, satria manana ny safidiny sy ny fomba fijeriny ny vahoakan’Antananarivo fa tsy voatery ho izay ao an-tsain’ny TIM ihany no marina.
Mbola izay paikady fiheverana an’Antananarivo ho fananan’izy ireo manokana izay ihany no entin’ny TIM mandresy lahatra ny olom-pirenena amin’izao fifidianana 2024 izao. Tsy nihambahamba rahateo ny Filoha teo aloha Ravalomanana nandrotsaka ny zanany lahimatoa ho Kandidà rehefa tsy nahafeno fepetra amin’ny firotsahan-kofidiana ny tenany. Toa sanatria ho atao lova tsy mirindra ny tanànan’Antananarivo ? Efa saika nitantana teo daholo tokoa mantsy na ny rainy , na ny reniny (2015-2019), saingy faharavana sy fahapotehina no setriny azon’ny vahoakan’Antananarivo. Dia mbola hiverina amin’izany indray ve ?
Araka ilay fomba filaza amin’ny teny vahiny manao hoe “Jamais deux sans trois”. Midika izany fa raha resy indroa miantoana tamina fifidianana ben’ny tanàna roa samihafa teto Antananarivo ny TIM dia azo heverina ny haharesy azy ireo fanintelony indray amin’ity fifidianana ben’ny tanàna 2024 ity.
Fanatanterahana ireo vina sy programanasa
Hatramin’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra dia azo ambara ho misongadina ny Kandidà laharana fahafito eto Antananarivo Renivohitra, Harilala Ramanantsoa. Tomefy olona hatrany ireo toerana rehetra alehany manerana ireo Boriborintany enina. Tena tsapa ny firaisankinan’ny vahoakan’Antananarivo amin’ny fanohanana azy. Ny Kandidà Harilala Ramanantsoa rahateo no tokana afaka hiara-hiasa amin’ny Fitondram-panjakana mijoro, ary ananan’ny Filohan’ny Repoblika fitokisana. Midika izany, fa azo antoka ny fanatanterahana ireo vina sy programanasa rehetra kinendry rehefa mitovy ny tadindokanga eo amin’ny mpitantana ny tanàna sy ny rafitra mpanatanteraka eto amin’ny firenena. Tombony ananan’ny Kandidà IRMAR, Harilala Ramanantsoa izany.
Tsara ho fantatra fa ankoatra ny traikefa ananany amin’ny maha mpandraharaha azy, dia efa nitantana ny tanànan’Antananarivo koa i Harilala Ramanantsoa, tamin’ny naha Filohan’ny Delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo azy, na dia fotoana fohy ihany aza. Maro dia maro anefa ireo asa vita tao anatin’izay fotoana fohy nitantanany izay, toy ny fanamboaran-dalàna, fandaminana ny tsena, fampihenana ny hetra, fandraofana ny fako, sy ny sisa.
Na lafiny politika, na lafiny teknika, dia Harilala Ramanantsoa irery ihany no mendrika ho an’Antananarivo amin’ity fifidianana Ben’ny tanàna 2024 ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer