PolitikaSongadim-baovao
KANDIDA HARILALA RAMANANTSOA: Hitondra fanovana tsara ho an’Antananarivo
Andraikitra goavana no kendrena hosahanina eto amin’ny firenena ka rariny raha atomboka amin’ny alalan’ny vavaka ny zava-drehetra, hoy ny Kandidà Ben’ny tanàna eto Antananarivo, Harilala Ramanantsoa, raha nanatanteraka fotoam-bavaka omaly teny Anatirova. Nandritra izany fotoana izany no nanambaran’ity kandidà ity indray ny fahavononany hitondra fampandrosoana ho an’ny Tanànan’Antananarivo. “Hitondra fanovana tsara, hitsinjo ireo marefo, hiasa mba hisian’ny fandrosoana eto Antananarivo’, hoy ny teny fohy nataony tamin’ny tafa ho an’ny mpanao gazety nandritra izany fotoana izany.
Saika tazana teny an-toerana avokoa moa ireo fikambanana, antoko, Solombavambahoaka, sehatra tsy miankina, ary olona isan-tsokajiny avy izay manohana ity Kandidà Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ity. Isan’ny tazana teny an-toerana ny Filoha nasionalin’ny fikambanana Andry sy Fototra ho an’ny Fampandrosoana (AFF), tarihin-dRamatoa Haingo Ravatomanga. “Misaotra an’Atoa Filoha izay nametraka ahy amin’izao andraikitra goavana izao aho, ho fanatsarana ny Tanànan’Antananarivo, satria izay no mission napetraka tamiko. Tsy handraraka ilo mby an-doha izany ny tenako fa manentana antsika rehetra anaty Antoko, fikambanana, sehatra tsy miankina sy ny maro mba hiray lalana amiko hanatanteraka ny mission ampanaovina ahy”, hoy ny Kandidà Harilala Ramanantsoa.
Tsiahivina fa hanomboka ny 19 novambra ka hatramin’ny 09 desambra 2024 ny fampielezan-kevitra, ary ny 11 desambra 2024 no andro fanatanterahana ny fifidianana. Ny fikirakirana ny vokatra vonjimaika tanterahin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) amin’ny alalan’ilay Rafitra eny anivon’ny Faritany dia ny 17 desambra ka hatramin’ny 24 desambra 2024. Amin’io datin’ny 24 desambra io araka izany, no fotoana mety hamoahan’ny Ceni ny vokatra vonjimaika manerana ny Nosy.



