PolitikaSongadim-baovao

KANDIDA HO FILOHAN’NY VAOMIERAN’NY VONDRONA AFRIKANINA: Vonona handray anjara amin’ny fanorenana an’i Afrika i Madagasikara

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny lanonana tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, Randriamandrato Richard, izay kandida atolotr’i Madagasikara amin’ny fifidianana ho filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina, na « Commission de l’Union africaine », ny afakomaly lasa teo. Mandritra ny fivoriana an-tampon’ireo Filoham-pirenena sy Filoha ana governemantan’ny Vondrona afrikanina, izay ho atao ao Addis-Abeba, Ethiopie, ny 15 sy 16 febroary 2025, no hotontosaina ny fifidianana, izay ho filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina. Araka izany, ao anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka i Madagasikara sy ny kandida Randriamandrato, araka ny fanazavan’i Rasata Rafaravavitafika, minisitry ny Raharaham-bahiny. Taorian’ny nanoloran’ny Filoha Rajoelina azy manoloana ireo Firenena mpikambana eo anivon’ny COMESA, nandritra ny fivoriana, izay natao tao Bujumbura, ao Burundi, ny faran’ny volana oktobra lasa teo. Manoloana ireo masoivoho vahiny miasa eto Madagasikara indray no natolotra amin’ny fomba ofisialy ity kandida an’i Madagasikara, amin’ny fifidianana ho filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona afrikanina ity.
Ny Filoha Andry Rajoelina no nanao ny fanolorana an-dRandriamandrato Richard nandritra ity lanonana tao Iavoloha, afakomaly. Nanatrika ity lanonana ity avokoa, na voasolo tena ireo masoivoho miasa eto Madagasikara. Singanina manokana ny fahatongavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Birao maharitry ny Vondrona afrikanina eto Madagasikara, izay midika fa mankato ny fandrotsahan’i Madagasikara kandida ny Vondrona Afrikanina.
Nanao antso avo tamin’ireo firenena namana sy mpiara-miasa amin’i Madagasikara ny Filoha. Antso avo ho fanohanana ny kandida an’i Madagasikara amin’ny toeran’ny filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina. “Fotoana izao hanamarihantsika ny tantara. Satria voalohany eo amin’ny tantara ny ho afaka hipetraka ho filohan’ny Vaomieran’ny Vondron’ny Afrikanina ny Firenena Nosy [na Etat insulaire]”, hoy ny Filohan’ny Repoblika.
Fanorenana Afrika vaovao…
Araka izany, hitondra ny hetahetan’ireo Firenena Nosy eto amin’ny Faritry ny ranomasimbe Indiana, hitondra ny feon’ireo firenena mpikambana ao amin’ny SADC, ary ireo mpikambana rehetra amin’ny Vondrona Afrikanina ny kandida, izay atolotr’i Madagasikara. “Fotoana izao hiarahantsika manorina ny Afrika iriantsika”, hoy hatrany ny Filoha Rajoelina. Ary ho fandraisana anjara mavitrika sy mivantana amin’ny fanatrarana izany tanjona izany koa no mahatonga an’i Madagasikara nanolotra an-dRandriamandrato Richard ho filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina.
Notsindrian’ny Filoham-pirenena fa i Madagasikara dia isan’ireo mpikambana mpanorina ny Vondrona Afrikanina. Izay nefa vao manolotra kandida amin’ny toerana fara tampony amin’ny fitantanana ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina. Nanterin’ny Filoha Rajoelina, araka izany, fa “fotoana izao ho an’i Madagasikara handraisana anjara mivantana amin’ny fanorenana an’i Afrika, izay iriantsika rehetra”. Raha hazavaina tsotra, dia ity Vaomiera ity no mitana ny toeran’ny mpanatanteraka eo anivon’ny Vondrona Afrikanina. Izy no manatanteraka ny politika sy ireo asa tapaky ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-pirenena sy Filoha-na governemanta.
Manana traikefa matanjaka…
Araka ny nambaran-dRandriamandrato Richard, raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety dia “hatramin’izay isika tsy mbola niady izany toerana izany, dia tahaka ny hoe nanara-drenirano teny fotsiny, fa izao izany isika dia afaka mitondra ny fomba fijerintsika amin’ny lafiny ara-toekarena, sosialy, tontolo iainana sy ny mponina, ny fampianarana, ny tanora”. Azo lazaina fa manana traikefa mantanjaka ity kandida atolotr’i Madagasikara ity.
Mahafehy tsara ny tontolo ekonomika sy diplomatika, izay ilaina amin’ny maha filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina izy. Isan’ny andraikitr’ity Vaomiera ity mantsy ny fandaminana ireo ady sy krizy eto Afrika. Nandritra ny lanonana afakomaly izy dia nanolotra ny fandaharanasany, izay mifototra amina teboka fito.
Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer