PolitikaSongadim-baovao
KANDIDA LAHARANA FAHATELO TAO PORT-BERGÉ : Tsy miova ny fatokisan’ny vahoaka an’i Andry Rajoelina
Nitohy tao Port-Bergé ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo omaly. Nasongadin’ny kandidà Andry Rajoelina fa hadino hatrany ity Port-Bergé ity hatramin’izay, saingy nandritra izay dimy taona izay kosa, marobe ny asa nataontsika teto. Nahazo vato 68 % izy tao an-toerana ary nametraka fitokisana taminy ny vahoakan’ i Port-Bergé. Natoky ary nila Filoha manana vina sy miasa tahaka ny kandidà laharana fahatelo ny vahoaka any an-toerana…
Nitohy tao Port-Bergé ny fampielezan-kevitra nataon’ny Kandidà laharana fahatelo. Niresaka ny fahavitan’ny fotodrafitrasa EPP manarapenitra ny Kandidà Andry Rajoelina. Ny tao Port-Bergé koa no nanaovana fandraisana mpampianatra vaovao betsaka indrindra, satria miisa 233 izany. Mafana dia mafana ny andro tao Port-Bergé. « Betsaka ny toerana notsidihako, fa na mafana aza ny andro isaorako ianareo tonga marobe », hoy ny kandidà Andry Rajoelina. Fa izao no tena mahafinaritra, mafana eto Port-Bergé ary mafana koa ny fandraisan’ny vahoaka ny kandidà Andry Rajoelina. Fantatro fa tia an’i Andry Rajoelina i Port-Bergé hoy izy velom-panantenana.
Tsapako sy hitako eny amin’ny endrikareo, fa tsy miova loko ny vahoakan’i Port-Bergé. Tia an’i Andry Rajoelina ny vahoaka eto. Tamin’ny fifidianana farany teo, tamin’ny taona 2018. rehefa nandeha ny fifidianana dia nametraka fitokisana tamiko ianareo vahoaka teto Port-Bergé, hoy ny kandidà laharana fahatelo, mbola naveriko ihany teto amin’ity toerana ity tamin’ízany hoe : » Ampio aho mba hahafahako manampy anao ». Niasa mafy isika, fotodrafitrasa maro no efa vitatsika teto Port-Bergé. Hadino foana ity Port-Bergé ity hatramin’izay, saingy nandritra izay dimy taona izay kosa, marobe ny asa nataontsika teto, raha ny fanehoan-kevitra nambaran’ny kandidà Andry Rajoelina. Nahazo vato 68 % ny tenako teto. Isaorako manokana ianareo Port-Bergé satria nametraka fatokisana tamiko. Natoky ahy ary nila Filoha manana vina sy miasa toa ahy, raha ny fanampim-panazavan’ny kandidà Andry Rajoelina.
Fotodrafitrasa manarapenitra
Nasongadin’ny kandidà Andry Rajoelina « fa ny zavatra nataontsika tao anatin’izay 4 taona sy 8 volana izay, dia ny nanaovana ireo fotodrafitrasa marobe. Nitaraina ny ray aman-dreny teto, hoe tsy ampy ny sekoly fianarana, tsy ampy ny CEG. Noho izany. nanao CEG goavana manarapenitra isika ». Efitranon-tsekoly miisa 24 mahazaka mpianatra mihoatra ny 1 200. Efa vita izy io ary efa azo sokafana sy ianaran’ny mpianatra ao Port Bergé, raha ny fanazavany. Betsaka ny ankizy no mandeha tongotra alavitra vao tonga amin’ny toeram-pianarana iray. Ny toeram-pianarana. Amin’io dia any ambany ravinkazo fa tsy sekoly akory ka izay no nahatonga antsika hanao sekoly manarapenitra maro. Isan’izany ny nanaovantsika ny EPP manarapenitra ao Ambondromamy fokontany Tsindrotondraka, sy ny Epp manarapenitra ao Antanambao kaominina Ambanjabe, hoy hatrany ny kandidà Andry Rajoelina. Nandray ireo mpampianatra FRAM koa isika ary isan’ny nanaovana « recrutement » mpampianatra Fram vaovao sady betsaka indrindra tao Port Bergé. Niisa 233 ny Mpampianatra FRAM vaovao noraisina tao. Ankoatra izany, nomena fampitaovana ilain’ny Mpianatra toy ny « kit scolaire » hanampiana ny ray aman-dreny. « Miasa mafy isika, mila mifanome tanana isika. Tsy ataontsika farany intsony ity Port Bergé ity, Miaraka amin’ny Prezidà tanora, tia tanindrazana. Manampy ny vahoaka, tsy maintsy mangirana i Port Bergé ary tsy maintsy mandroso i Madagasikara.
Ny angatahako anareo vahoaka, hoy ny kandidà laharana fahatelo, aoka ianareo hifanome tanana amiko, araka ilay hiran’i Ceasar hoe : « Raiso ny tanako ».
Rado Harivelo




