PolitikaSongadim-baovao
KANDIDA LOHOLONA: Ho fantatra anio ny lisitra ofisialy
Araka ny didim-panjakana, noraisina tamin’ny alalan’ny Filankevitry ny Governemanta, ny 09 Septambra 2020, anio alakamisy 29 Novambra no voafaritra fa hamoahan’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) ny lisitra ofisialin’ireo nandrotsaka antontan-taratasy filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana Loholona amin’ny 11 Desambra izao. Efa nisy ny fivoriam-be nanapahana izany omaly, ka andrasana anio, noho izany, ny fivoahan’io lisitra ofisialy io. Raha tsiahivina, niisa 14 ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidiana efa nahazo ny fankatoavan’ny Ceni, taorian’ny fe-potoana farany nandraisana izany, manerana an’I Madagasikara. Etsy ankilany, efa eo am-pikirakirana ny lisitr’ireo mpifidy vaventy ny avy eo anivon’ny Ceni, araka ny fanazavan’ny mpampakateny, Fano Rakotondrazaka. Napetraka isaky ny distrika ny lisitra mba hahafahana manao ny fisoratana anaran’ireo mpifidy vaventy afaka mihazo ny renivohitry ny distrika, hoy ny fanazavana. Etsy ankilany, nandraisana fepetra araka ny lalàna ireo kaominina mbola tsy manana ben’ny tanàna, miainga amin’ireo didy avy amin’ny filan-kevi-panjakana. Misy koa fanapahana avy amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana noho ny fahabangan-toerana misy any anivon’ny Kaominina sasany. Ny 11 Novambra izao no hofaranana ny lisitr’ireo mpifidy vaventy. Tsy misy fiovana intsony ny lisitra aorian’io daty io.




