Songadim-baovao

KAOMININA ANDINA AMBOSITRA : Filohan’ny mpanolotsaina kaominaly voarohirohy amin’ny vato halatra

Voarohirohy amina halatra vato sarobidy « amazonites » milanja 363 kg ny filohan’ny mpanolotsaina kaominaly ao amin’ny Koaminina ambanivohitra Andina. Nisy ny fisavana ny tranony nataon’ny Zandary niaraka tamin’ny vadintany, taorian’ny fahazoana alalana avy amin’ny Lehiben’ny fampanoavana, ny 16 novambra lasa teo…

Ampahany amin’ireo vato sarobody halatra sarona.

Tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Kaominina ambanivohitra Andina no voarohirohy tamina resaka fahaverezana vato « amazonites » milanja 363 kg. Raha ny angom-baovao tany an-toerana, nisy ny fahaverezana halatra vato, tao amin’ny kariera ao Ampiringa, fokontany Talaky, anatin’ny kaominina ambanivohitra Andina. Ny 16 novambra  tamin’ny mitataovovonana, dia tonga tao amin’ny Tobim-paritra ny tompon’ny kariera Amazonita any Ampiringa,  kaominina Andina, izay nametraka fitoriana momba halatra vato. Raha vao nahazo io taratasy fitoriana io, ny teo anivon’ny Zandary,  dia nanao fangatahana alalana hisava trano tany amin’ny Lehiben’ny fampanoavana Ambositra.  Rehefa nahazo alalana izy ireo, dia nidina tany an-toerana ny zandary miisa efatra, notarihin ny GPHC Rabialahy, lefitry ny Kaomandin’ny tobim-paritra hanao ny fisavana miaraka amin’ny mpitory.

Rehefa natao ny fisavana  tao amin’ny tranon-dRandrianirina Mangason Dieu Donné, antsoina hoe Radonné, filohan’ny mpanolotsaina kaominaly Andina, dia nahitana ireo vato halatra (Amazonites), izay milanja 363 kg. Natrehan’Atoa lefitra voalohany sy faharoan’ny ben’ny Tanàna  Andina, ny Sefo fokontany Atsimondrano sy ny tompon-trano ary  Andriamahenina Harijaona Florentin, Vadintany miasa ao amin ny Fitsarana Ambositra, ny fisavana ny trano. Nanomboka tamin’ny 4 ora sy 55 minitra ary nifarana tamin’ny 6 ora sy 5 minitra. Mitohy, araka izany,  ny fanadihadiana momba ity halatra vato sarobidy ity. Ireo vato kosa, dia notazomina ao amin’ny Biraon’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambositra.

Fermer