Songadim-baovaoSosialy

KAOMININA ANDRANOMAVO: Napetraky ny Filoha ny vato fototry ny lisea voalohany ao an-toerana

Filoham-pirenena voalohany tonga tao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranomavo, ao anatin’ny Distrikan’i Soalala, Faritra Boeny ny Filoha Andry Rajoelina. Nanamarika izao fitsidihany voalohany izao, noho izany, ny nametrahany ny Vato fototra voalohany ho fanamarihana ny fanombohana ny asa fananganana ny lisea voalohany ao an-toerana. Tetikasa izay mbola mariky ny fanaovan’ny Filoham-pirenena laharam-pahamehana ny sehatry ny fanabeazana. Hanafoana ny fitsoahana an-daharan’ny mpianatra ao amin’ny kaominina ihany koa ny fananganana ny Lisea. Araka ny fantatra mantsy dia tsy maintsy mandeha mamonjy ny lisea ao Soalala, izay miala 80km eo an-toerana, na mankao amin’ny lisea Mitsinjo miala 90km eo, ny mpianatra afaka ny fanadinana Bepc. Izany no antony nananganana ny sekoly lisea ao Andranomavo, hoy ny Filoha.

Nohamafisin’ny Filoha ny maha  zava-dehibe ny fanabeazana ka nanaovany laharam-pahamehana ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra niofana. Notsiahivina fa miisa 3.000 ireo horaisina amin’ity taona ity ka efa nanombohana izany tamin’ny fomba ofisialy ny tao Mahajanga. Efa mandeha ihany koa ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana amin’ny alalan’ny « recrutement am-pahibemaso ». Ho an’ny andiany fahafito sy fahavalo amin’ny fandraisana mpampianatra, miisa 15.000 ireo horaisina ka atao ao anatin’ny mangaraharaha sy manara-penitra izany hahatrarana ny velirano fahefatra, dia ny fampianarana tsara kalitao.

Asa fanarenana ny tetezan’Andranomavo

Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa hanampy ny fikambanam-behivavy araka ny tetikasa hataony ao amin’ity Kaominina ity ihany koa ny Filoha. Napetraka tao an-toerana ihany koa ny vato fototra manamarika ny fanomboahan’ny asa fanarenana ny tetezan’Andranomavo, izay tapaka vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Belna ny taona 2019, niorina ny taona 1996. Tsy afaka mifamezivezy sy mamoaka ny vokatry ny mponina ka nanaovana laharam-pahamehana ny fanamboarana ny tetezana. Niteraka fahaverezana entana sy fahafatesana ihany koa ny tetezana tapaka ka tsy maintsy arenina. Mirefy 28 metatra ny tetezana izay azo ifanenana. Efa ao an-toerana ihany koa ny CSBII manarapenitra hahafahana mitsabo ny marary. Hapetraka ao Soalala kosa ny Fiara mpitondra marary ka afaka hitaterana marary avy ao Andranomavo raha ilaina izany. Fanomezana avy amin’ny Filoha ho an’ny kaominina Andranomavo ny fananganana ny biraon’ny Ben’ny Tanana sy ny Tranom-pokonolona ao an-toerana izay tsy nisy mihitsy hatramin’izay.

Fermer