SamihafaSongadim-baovaoSosialy

KAOMININA ANKILIZATO – MENABE: Olona miisa 5 900 hisitraka rano fisotro madio

Manoloana indrindra ny vinan’ny Fitondram-panjakana amin’ny famatsiana rano fisotro madio ho an’ny rehetra, napetraka ao amin’ny Kaominnia ambanivohitra Ankilizato, Distrika Mahabo, Faritra Menabe ny paompy iombonana (Branchements Sociaux) izay hamaly ny filan’ny mponina maherin’ny 5 900 isa any an-toerana. Ny talata lasa teo no tany an-toerana ny Minisitra tomponandraikitra nitokana ny fotodrafitrasa.

Fotodrafitrasa famatsian-drano fisotro madio vaovao azo avy amin’ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina na « Partenariat Public-Privé » no nahatontosana ny asa, na teo amin’ny Fanorenana izany, na ny Famatsiana, hatramin’ny Fitantanana ny fotodrafitrasa. Isany niara-nisalahy tamin’izany ny ONG Helvetas sy ny fiaraha-miasa « Suisse » ary ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana. Araka izany, mbola manamafy ny fiarahamiasany amin’I Madagasikara hatrany ireo mpiara-miombona antoka, indrindra eo amin’ny sehatry ny Rano, Fanadiovana, ary Fidiovana. Tafiditra ao anatin’izany ny Ambasadaoron’ny firenena « Suisse » monina sy ny miasa eto amintsika izay nilaza fa mbola eo anilan’i Madagasikara hatrany izy ireo, ary vonona hanohana ny sehatry ny Rano, ny Fanadiovana sy Fidiovana amin’ny alalan’ireo Fikambanana « Suisse » miasa eto Madagasikara. Resy lahatra tanteraka amin’ny fomba fiasa sy ny fandraisan’andraikitry ny mpitondra izy ireo, raha loharanombaovao hatrany.

Hirary ny vidin’ny rano

Tontosa ny Talata 23 febroary 2021 teo ny lanonana fitokanana ny fotodrafitrasa vaovao izay teo ambany fitarihan-dRamatoa Voahary Rakotovelomanantsoa, Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, ny Amdasadoro « Suisse » Andriamatoa Chasper Sarott, ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ao amin’ny Faritra Menabe. Tamin’izany indrindra no nanamafisan’ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana fa andraikitry ny rehetra ny fampaharetana ny fotodrafitrasa ny fanatsarana ny tolotra fikajiana ny rano. Ary koa,  nampanantena izy fa hirary ny vidin’ny rano, araka ny paikadin’ny minisitera sy ireo mpiara-miombona antoka tsy miankina. « Tsy haka rano eny amin’ny lakan-drano fanondrahana intsony ny mponina raha izany no natao teo aloha », hoy hatrany ny minisitra nanamafy.

Raha tsiahivina, dia nialoha ny  dian’ny Minisitry ny rano, ny fanadiovana, ary ny fidiovana,  hihazo an’ny Faritra Menabe, dia nitsidika ny asa atao amin’ny Faritra Vakinankaratra, Distrikan’i Mandoto ny tenany. Nidina ifotony nijery ny fizotra ny asa, ahitana ireo fotodrafitrasa goavana sy manaram-penitra maro, izay efa vita hatrany amin’ny 90%. Nanambara ny minisitra fa izao no atao dia ho fanatanterahana ny velirano napetraky ny Filoha Andry Rajoelina mba ho 60 isan-jaton’ny Malagasy no hisitraka rano fisotro madio amin’ny taona 2023, raha tombanana ho mponina 12000 no mila rano fisotro madio ao Mandoto amin’ny taona 2030.

Sata (mpianatra asa)

Fermer