PolitikaSongadim-baovao
KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA: Mpanolotsaina monisipaly miisa 10 nangatahan’ny Prefe hoesorina
Niely tanaty tambajotran-tserasera sosialy Facebook omaly ny taratasim-panjakana mirakitra ny fangatahana fanesorana sy fanoloana mpanolontsaina monisipaly miisa folo eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Raha ny voarakitra ao anatin’ny taratasy dia noho ny tsy fahatongavana manatrika fivoriana intelo miantoana teo anivon’ny Filankevitra monisipaly no nahatonga ny fangatahana fanesorana.
Taratasy laharana faha 732-MID/PREF.POL/A.G miraikitra fangatahana fanesorana sy fanoloana mpanolontsaina monisipaly miisa folo. Io indray no niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera sosialy Facebook nanomboka omaly. Raha ny voarakitra tanatin’ny taratasy, dia noho ny tsy fanatrehan’ireo mpanolontsaina monisipaly ireo fivoriana intelo miantoana teo anivon’ny Filankevitra monisipaly no anton’izao fangatahana izao. Io taratasy io hatrany no naneho fa mpanolontsain’ny tanàna miisa 8, lany tamin’ny anaran’ny Antoko “Tiako I Madagasikara” (Tim) no tafiditra amin’ity tranga ity. Iray kosa avy amin’ny vovonana IRK ary iray hafa avy amin’ny “Komba”, izay tsy iza fa Andriamatoa Toavina Ralambomahay, araka ny fampitam-baovao voaray. Efa nitondra fanazavana mahakasika ity raharaha ity ny Mpanolontsaina monisipaly, Hilda Hasinjo Ravelonahina, omaly. Nambarany fa ny fivoriana tsy ara-potoana nampiantsoana azy ireo ny datin’ny 14 Jona 2021, sy ny datin’ny 18 Jona 2021, ary ny fivoriana nataon’ny 09 Jolay, izay tsy nahateo ireo mpanolontsaina voakasika ireo, no nahatonga ity fangatahana fanesorana nataon’ny Prefektioran’Antananarivo ity.
Inona no voalazan’ny lalàna?
Raha ny voalazan’ny Lalàna laharana 2014-020, tamin’ny 27 Septambra 2014, momba ny fipetraky ny mpanolontsaina monisipaly, ao amin’ny andininy 94 sy 95, ao amin’ny tapany faharoa, dia milaza mazava tsara fa ny mpanolontsaina rehetra, voaporofo fa tsy manana antony mazava ny antony tsy nahatongavana nanatrika ny fivoriana, dia hangatahana hitondra fanazavana milaza ny antony tsy nahatongavana nivory, ka raha tsy manana izay fanazavana izay, dia azo esorina tsy ho mpanolontsaina intsony izy. Araka io andininy io hatrany, dia rehefa voamarina ny tsy fahatongavan’ny mpanolontsaina iray manatrika fivoriana, ary voarakitra ao amin’ny fitanana an-tsoratra, dia fahefan’ny Filankevitra monisipaly no mampita izany any amin’ny fahefana mpanatanteraka, eo amin’ny toerana voakasika izany. Ity farany avy eo no mitondra izany eny anivon’ny Filankevi-panjakana. Raha ho an’Antananarivo manokana, araka izany, dia ny Prefen’Antananarivo no voakasika voalohany.
Araka izany, eny am-pelatanan’ny Fitsarana ny raharaha ankehitriny. Mahakasika izay indrindra, isan’ny nametrahan’ny rehetra fanamarihana ihany koa ny fivoahan’ity taratasy napetraky ny Prefektiora teo anatrehan’ny Fitsarana ity, taty ivelany. Raha ny tokony ho izy mantsy dia taratasy tsy tokony mbola ho hitan’ny daholobe izy ireny, noho ny fisian’ny tsiambaratelon’ny fitsarana.
Ny Fanoratana.



