Songadim-baovaoSosialy
KAOMININA DIMY AO ANDROY: Filamatra amin’ny famongorana ny fanaovana maloto ankalamanjana
Ny 40 isan-jaton’ny mponina eto Madagasikara dia mbola mangery ankalamanjana, ary 17 isan-jaton’ny fianakaviana ihany no mampiasa lavapiringy, araka ny fanazavan’ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana. Ho an’ny Faritra Androy manokana, efa miroso ny programa « Madagasikara Madio », ary fantatra fa kaominina ambanivohitra dimy no efa misongadina amin’izany amin’izao fotoana. Tafiditra ao anatin’ireo filamatra ireo ny ao Sihanamaro, Marovato Befeno, Andragnanivo, Ambatosola, ary Behazomanga, eo amin’ny famongorana ny fangerena ankalamanjana. Misy mponina miisa 41 000 ireo kaominina dimy ireo, ary nahafeno ny fepetra takian’ny fanatanterahana ny fandaharanasa « Madagasikara Madio », ho famongorana ny fangerena ankalamanjana amin’ny faran’ity taona 2021 ity, araka ny fanazavana hatrany. “Ny Fitondram-panjakana, amin’ny alàlan’ny Minisiteran’ny rano, ny fanadiovana, sy ny fidiovana, dia miara-miasa amin’ireo mpiaramiombona antoka, toy ny UNICEF, manohana ireo kaominina, sy ny mponina ao aminy avy, mba hanafoanana an’io fahazaran-dratsy io”, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny Minisitera tomponandraikitra.
Tanjona ny hialan’ny Faritra Androy iray manontolo amin’ny fangerena ankalamanjana amin’ny faran’ny taona, araka ny fanazavana hatrany. Noho izany, efa sokajin’ny Minisitera ho Kaominina afaka manoro ny lalan-kizorana ankehitriny ho an’ireo Kaominina hafa ao amin’ny Faritra ireto Kaominina dimy ireto. “Manan-danja lehibe tokoa izao fiovana sy firosoana izao, eto anivon’ny firenena, ho an’ny Faritra ianjadian’ny haintany, sy ny covid-19”, hoy hatrany ny fanazavana.



