Songadim-baovao

KAOMININA MAROTOLANA – AMBANJA : Rongony 840 kg sarona, lehilahy iray voasambotra

Nanatanteraka hetsika momba ny ady amin’ny fiparitahana zava-mahadomelina ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Antsohihy, nanomboka ny 18 aogositra lasa teo. Vokany, rongony 840 kg tra-tehaka, lehilahy iray mpitondra zava-mahadomelina isan’ireo nitatitra no sarona…

Ireo rongony saron’ny zandary.

Rongony 840 kg be izao ! Vokatra goavana azon’ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Antsohihy, momba ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina notanterahin’izy ireo nanomboka ny 18 aogositra, izay naharitra 12 andro lasa teo, tany amin’ny faritra Analabe na ny “Complex Mangindrano –Tsaratanàna” ao amin’ny distrikan’Ambanja. Tafiditra ao anatin’ny Valanjavaboary tantanin’ny MNP na ny « Parc National de Madagascar ». Nisy, araka izany, ny fiaraha-miasa teo amin’ny Zandarimaria sy ireto farany, mba hanatrarana ny tanjona, dia ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny famongorana ny fambolena sy fanondranana rongony, izay fantatra amin’ny anarana hoe “rongony”. Antony iray mampiteraka  tsy fandriampahalemana isan-karazany na manoloana ny ao an-tanàna na any amin’ny faritra manodidina. Ity tranga ity dia manamafy sy manamarina fa ny distrikan’Ambanja no toeram-pambolena zava-mahadomelina toy izao.

Nambaran’ny Kaomandin’ny kaompania zandarimariam-pirenena ao Antsohihy, ny Kapiteny Tobiasy Andriantsihoarana fa ny 22 aogositra lasa teo no sarona ireo zava-mahadomelina ireo, izay natao tao anaty gony miisa 42. Milanja hatrany amin’ny  840 kg izany, izay sarona tao amin’ny Fokontany Ampanompia, kaominina ambanivohitra Marotolana, distrika sy Faritra Diana, taorian’ny loharanom-baovao tsiambaratelo, izay milaza fa tsy maintsy mandalo ao ireo entana antsoina hoe “ gony fotsy » avy ao  anaty ala iray, any amin’ny 05 km avaratra andrefan’ny tanàna, amin’ny  sampanan-dalana mankany Sambirano. Manodidina ny 30 ireo mpanao trafika mirongo basy fihazana sy fitaovam-piadiana mahery vaika. Tsy nanaiky lembenana anefa izy ireo manoloana ireo zandary fa nisy ny fifandonana, rehefa nisy ny fisakanana natao. Nandritra izany no nahasamborana ny iray tamin’ireo

Noho ny fisian’ireo mpanao trafikana manodidina ny telopolo mirongo basy fihazana sy fitaovam-piadiana mahery vaika,  raikitra ny fifandonana teny an-toerana, nandritra izany fisakanana izany tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva, mba hahafaha-manenjika azy ireo. Vokany, lehilahy iray no voasambotra, raha tafatsoaka ireo namany. Nisy tamin’ireo rongony no hita  tao anaty ala, ary natao ny harivan’io ihany ny fandoroana azy ireo, mba hisorohana ny loza mety hitranga. Natao, araka izany, ny fanadihadiana, mba hamantarana ireo namany, hisorohana ny fiparitahana zava-mahadomelina.

Fermer