
Trangam-piaraha-monina
KAOMININA TSIAFAJAVONA : Andian-jiolahy nandroba 11 tapitrisa Ar sy naka takalonaina
Nitrangana fanafihana andian-jiolahy mitam-piadiana tao Andranomaria, kaominina ambanivohitra Tsiafajavona, distrikan’i Ambatolampy, Faritra Vakinankaratra, afakomaly tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Lasan’ireo jiolahy ny volabe 11 tapitrisa Ar, sady naka takalonaina miisa efatra…

Andian-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika nanatanteraka fanafihana tao Andranomaria, kaominina ambanivohitra Tsiafajavona, distrikan’i Ambatolampy, Faritra Vakinankaratra, afakomaly tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tamin’io toerana voalaza io ireo jiolahy miisa efatra ary nilaza fa nirahin’ny Sefo fokontany ka nandroba ireo volabe mitentina 11 tapitrisa Ar. Tsy vitan’izay, fa nentin’izy ireo koa ny olona miisa efatra, mba hahazoana vola ankoatra ireo efa voarobany. Vantany vao nandre io fanafihana io ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Ambatolampy, nidina ifotony avy hatrany nanao vonjy taitra; Ireo Tobin-jana-paritra tao Ambohimandroso sy Ambatotsipihina koa dia nahetsika nanao sakana, mba hahatrarana ireo olon-dratsy. Vokatr’izany fandraisana andraikitry ny Zandarimaria izany, tra-tehaka ny lehiben’ireo mpanafika, izay nanao fanamiana mpiandry fonja, niaraka tamin’ireo vola rehetra voaroba mitentina 11 tapitrisa Ar sy basy poleta vita tanana. Tsy nanaiky lembenana izy ka raikitra mihitsy ny fifandonana sy fifampitolomana nandritra ny fisamborana azy. Ireo jiolahy namany moa dia efa tsy tratra niaraka taminy fa afa-nandositra mialoha, raha vao nahatsikaritra fa tonga ny zandary.
Avotra ireo takalonaina…

Nohalalinina ny famotorana ka efa tratra koa ny jiolahy iray hafa tamin’ireo afa-nandositra araka ny toroka avy tamin’ilay jiolahy voasambotra voalohany sady tadidin’ireo niharam-boina. Avotra soa aman-tsara ireo takalonaina efatra nalain’ireo andian-jiolahy mitam-piadiana, notarihina mpiandry fonja sandoka, izay nanafika tao Andranomaria, kaominina ambanivohitra Tsiafajavona. Mbola mitohy, araka izany, ny fikarohana ny naman’ity andian-jiolahy nandroba sy naka takalonaina ity. Ny Zandarimaria ao Ambatolampy, dia manentana ny mponina any an-toerana sy ny manodidina, mba hampita haingana ny vaovao raha mahita na mahatsikaritra toe-javatra mampiahiahy mifandraika amin’ity tranga ity. Tiana ny manamarika, fa ny fiaraha-miasa eo amin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana no fomba mahomby ahafaha-miady amin’ny resaka tsy fandriampahalemana eny ifotony. Ireo olon-dratsy, izay tsy aiza tsy akory fa eo anivon’ny fiarahamonina ao ihany, ka karazany misakobon-doza raha tsy mandray andraikitra mitoroka ireo olon-dratsy. Tazomina ho tsiambaratelo hatrany ny momba ireo olona tsara sitrapo manoro ireo jiolahy eny amin’ny mpitandro filaminana.




