SamihafaSongadim-baovaoSosialy
KERE ANY ATSIMO : Miaramila miisa 405 nalefa any Androy sy Ampanihy
Tranga anisany nanaitra ny besinimaro ny fiandohan’ity herinandro ity ny fiparitahan’ny sary maneho ny zava-misy iainan’ny mponina any amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny. Tsy vitsy ireo tohina, ary nanao antso avo amin’ny tokony handraisana andraikitra ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana amin’ny Kere. Tsy niandry ela ny Fitondram-panjakana, fa nandray ny fepetra avy hatrany, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, amin’ny fandefasana miaramila 405 any Androy sy Ampanihy.
Tsy ny asa amin’ny maha miaramila irery ihany no sahanin’ireo nanolo-tena hanompo tanindrazana, fa eo indrindra koa ny fitsinjovana ireo vahoaka ananany andraikitra amin’ny lafiny hafa. Anisan’izany ny ara-pahasalamana izay nandraisan’ireo manamboninahitra miaramila mpitsabo anjara, tamin’ity ady amin’ny valanaretina covid-19 ity. Etsy andaniny, eo koa ny fitsinjovana ny ara-tsosialin’ny mponina tratran’ny loza voajanahary toy ny tondra-drano na koa ny “kere” izay mitranga indray any atsimon’ny Nosy amin’izao fotoana. Fantatra ary izao fa miaramila miisa 405 no nalefa any Androy sy Ampanihy ankehitriny. Ka ankoatra ny asa maha miaramila azy ireo, izay natao hampandry fahalemana iny faritra iny manoloana ny zava-misy iainan’ireo mponina any an-toerana, eo koa ny baiko amin’ny fiandrasana ireo minisitera miaraka miombon’antoka amin’ny Tafika malagasy eo amin’ny fitsinjovana ireo mpiray tanindrazana tratran’ity kere any atsimo ity. Nirahina ihany koa izy ireo hizara rano ho an’ireo mponina tratran’ity loza voajanahary ity, amin’ireo faritra rehetra hanatanterahana ny iraka.
Miaramila vao nahavita fianarana
Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa misy ireo miaramila vao nahavita fianarana ambony teo anivon’ny sekoly Etamazaoron’ny tafika malagasy, izay halefa any an-toerana manomboka ny alatsinainy ho avy izao, hanampy amin’ny fanatanterahana iraka, manoloana izao olana mianjady amin’ireo mponina any an-toerana izao. Miisa 32 izy ireo no vao navoaka tamin’ny fomba ara-miaramila, omaly, tetsy amin’ny Cemes Soanierana. Nambaran’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika malagasy, Jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude, fa baiko avy amin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena izao natao hamonjena ireo mponina any atsimon’ny Nosy izao. Mifanindran-dalana tanteraka amin’ny vina voalohan’ny Filoham-pirenena ihany koa, dia ny Foloalindahy manakaiky vahoaka. Nandritra io lanonana io koa no nanatanterahana ny famindram-pitantanana eo amin’ny fitaleana ny sekoly Etamazaoron’ny Tafika malagasy, izay nandraisan’ny Kolonely Rakotomalala Mario ny toerana, raha ny Jeneraly Zafitombo Eli no nisahana izany andraikitra izany teo aloha.




