PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

KERE ANY ATSIMO: Mitohy hatrany ny fandraisana an-tanana ataon’ny Fanjakana

Mbola anaty ady tanteraka ho famongorana ny kere sy ny tsy fanjariantsakafo isika eto Madagasikara ankehitriny. Amin’izao fotoana izao dia fantatra fa mbola mitohy amin’ny fandraisana an-tanana ireo ianjadian’izany ny Fanjakana foibe, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Ny Minisitra Rakotonirina Richard izay midina tsy tapaka any an-toerana, mandrindra sy manome toromarika ireo ekipa any ifotony amin’ny fanampiana ireo mpiray tanindrazana. Ny faran’ny herinandro teo,  tao Tsihombe ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena no nanao fitsidihana, niaraka tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana tao an-toerana. Niaraka taminy ihany koa ny Governoram-paritra Androy Andriamatoa Lahimora Soja ary ireo tompon’andraikitra rehetra amin’ny ady amin’ny kere tahaka ireo masera mpanome sakafo mafana sy ny mpitandro filaminana mandrindra ny fahatongavan’ny fanampiana mba tsy ho ravan’ny dahalo ka ho tonga soa aman-tsara amin’ireo izay tokony hisitraka izany. Tao amin’ny tranon’ny masera eto Tsihombe no nanaovana ny fandrindrana ny ady amin’ny kere ka nampahafantaran’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena an’ireo tompon’andraikitra rehetra ao an-toerana ny fomba fiasan’ny CCO-K sy ny maha zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’izy ireo amin ‘izao ady izao. Olona miisa 1000 no nisitraka ny sakafo mafana tamin’ io fotoana io ary nisaotra ny lamina efa nipetraka ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena raha nitafa nivantana tamin’ny mponina.

Nentanina ireo miaramila

Nisy ihany koa ny fizarana fanampiana tamin’ny olona sahirana sy manana kilema miisa 300 teo amin’ny Tsenan’ombin’ny Tsihombe. Vary 7kg sy vomaina 3kg no azon’ireo ho entina mifety ny krismasy. Nahazo ny anjarany ihany koa ny ankizy satria dia zaza miisa 500 no nizarana vatomamy sy bisiky izay dibokin’ny hafaliana tokoa raha nandray izany fanomezana izany. Nisaotra manokana ny fitondram-panjakana kosa ireo ray aman-drenin’ireto ankizy ireto izay sahirana tsy manan-katolotra ireto zanany amin’izao andro fety izao. Fihaonana tamin’ireo miaramila miisa 100 miasa ao an-toerana kosa no namaranan’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ny diany tao Tsihombe. Nisaotra ary nanentana ireo miaramila hanohy tsara ny asa izy nandritra izany. Mafy ny ady hoy izy ary sarotra ny hanafoana ny kere aty atsimo kanefa matoky ny miaramila ny fitondram-panjakana hanome tanana ny tompon’andraikitra sy ireo mpiara miombon’antoka rehetra.

Fermer