PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
KERE ANY ATSIMO: Nanolotra vary 8,5 taonina ireo solombavambahoaka
Voin-kava-mahatratra. Tsy nitazam-potsiny ny fahoriana iainan’ireo mpiray tanindrazana any Atsimon’ny Nosy ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara ao amin’ny Antenimieram-pirenena fa nitondra tolo-tanana. Omaly no nanateran’izy ireo izany teny amin’ny BNGRC Antanimora.
Fihetsika maha te hidera sady fakan-tahaka no nasehon’ireo Solombavambahoakan’I Madagasikara rehetra manoloana ny zava-misy any amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy iny. Entina hanenjehana ireo Solombavambahoaka hatrany tokoa mantsy ny filazana fa tsy manao afatsy ny fikatsahana tombontsoa manokana fotsiny izy ireo, ary tsy mitady izay mahasoa ny vahoaka akory, amin’ny maha solontenam-bahoaka azy ireo. Hevitra izay azo disoana avy hatrany, satria raha tena fikatsahana tombontsoa manokana no mibahan-toerana amin’ireo solombavambahoaka, dia tsy nisy mihitsy ny hetsika tolo-tanana, tahaka ny nataon’izy ireo omaly.

Tsy nijerena loko politika na firehan-kevitra fa vonjy aina no atao amin’ny fanampiana ireo mpiray tanindrazana any atsimon’ny Nosy. Nanao ohatra tsara ho an’ny rehetra ireo Solombavambahoakan’I Madagasikara rehetra mandrafitra ny Antenimieram-pirenena, omaly, tamin’ny fanaterana fanampiana ho an’ireo Malagasy any Atsimo. Nanolotra vary 8,5 taonina, io no naterin’ny depiote teny anivon’ny foiben’ny BNGRC etsy Antanimora, omaly. Nitarika azy ireo teny an-toerana ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa. “Entina hanampiana ireo vahoaka sahirana noho ny Kere sy ny haintany any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ireto vary ireto ka ny Solombavambahoaka rehetra manerana ny Nosy, sy avy amin’ny lafin-kery rehetra no nihetsika ka samy nanolotra izany”, hoy izy. Hisitraka izany avokoa ny distrika rehetra, hoy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, izay sady nankasitraka ny solombavambahoaka, no nanentana ihany koa ny olon-tsotra ny amin’ny fanampiana ireo vahoaka sahirana any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy.
Hiainga amin’ny faran’ny herinandro
Niara-nirona ny depiote rehetra. Araka ny fanazavan-dRazanamahasoa Christine, nandray anjara tamin’izao hetsika izao avokoa ireo loko politika isan-tsokajiny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, toy ny IRD, ny GPR, ny tsy miankina ary ny Tiako I Madagasikara. Nanamafy ny Solombavambahoaka Rahasimanana Paulbert (Rossy), fa tsy tao anaty fahataitairana akory no nanaovan’ny depiote izao hetsika izao fa efa nomanina hatramin’ny nahitana ny zava-nisy tany Atsimo. Nisy mihitsy tsangan-tanana natao teo anivon’ny Antenimiera ka lanin’ny rehetra hatao izao hetsika izao. Etsy ankilany, nanambara ny avy eo anivon’ny BNGRC fa ny faran’ny herinandro izao dia efa hiainga ireto fanampiana ireto hihazo ny Faritra atsimo. Ny General Gabriel Ramanantsoa no solontenan’ny Tale Jeneralin’ny BNGRC nandray ny fanampiana teny an-toerana. Ity tompon’andraikitra ity izay nanamafy fa tsy hisy fanodinkodinana hatao amin’ireto entana ireto fa hisitraka izany avokoa ireo mponina marefo rehetra. Izany hoe, samy hahazo ny anjarany ny Faritra Anosy, Androy, ary Atsimo Andrefana. Tafiditra ao anatin’izany ny Distrikan’Ampanihy, Tsihombe, Beloha, Amboasary Atsimo, Ambovombe.



