Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

KIANJA BAREA: Hasiam-panatsarana fanampiny ny bozaka, mila teknisianina matihanina

Rehefa niteraka resabe teny amin’ireo mpanara-baovao sy teny amin’ny tambazotran-tserasera ny vaovao mahakasika ny Kianja Barea dia nitondra fanazavana misimisy kokoa momba izany, omaly, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Marson Moustapha Abdulah. Nohamafisina aloha fa efa tsy vaovao nivoaka tamin’ny alakamisy intsony ny fahafantarana fa hotanterahana any Maroc ny andro fahenina amin’ny fifanintsanan’ny “Mondial 2026” eo amin’ny taranja baolina kitra. Tamin’ny voalohan’ny volana febroary, hoy ny Minisitra, no efa nofaritana fa hatao any Maroc io lalao izay tokony nampiantranoan’i Madagasikara io satria efa hatomotra loatra ny fotoana raha toa ka hatao eto Madagasikara izany. Ankilany, “tokony hiray fo isika Malagasy satria antsika io Kianjan’ny Barea io”, hoy ny Minisitra. Ny voninahi-pirenena no voaaro amin’ny fananana azy ary reharehan’ireo ekipam-pirenena malagasy hatrany izany hilalao an-tanindrazana izany. Araka izany, tsy tokony hisy ireny endrika fihantsiana sy hesoheso ataon’ny mpiray tanindrazana sasany ireny.

Hatreto aloha, mbola eo am-piandrasana ny fanapahan-kevitry ny CAF (Kaonfederasiona Afrikanin’ny Baolina Kitra) mahakasika ny fankatoavana ny Kianjan’ny Barea hatrany isika. Tsy maintsy haharay ny valin’izany avy amin’ny Sekretera Jeneralin’ny CAF ny Minisitra saingy tsy mbola tonga izany hatreto. Ny taratasy voaray kosa anefa dia antontan-kevitra mirakitra ny valin’ny fitsirihana nataon’ireo matihanina tonga teto amintsika tamin’iny volana febroary iny. Izany hoe taratasy mirakitra ny zavatra hitany sy ny fanatsarana tokony hiomanantsika mba hamaly hatrany ny filàna amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Araka izany, misongadina ao anatin’io tatitra io fa tokony hasim-panatsarana fanampiny ny bozaka eo amin’ny Kianja Barea ary mila hapetraka ireo pitsopitsony teknika rehetra mifanaraka amin’izany. Ny zavatra tsy ampy dia mila mitady teknisianina mahafehy tsara ny lafiny bozaka isika mba hahafahana mahazo vokatra tsara, araka ny fenitra takian’ny CAF sy ny FIFA. Nandritra ny fandalovan’ny teknisianina anglisy tamin’ny fitsirihana farany nataony teo dia nanome tolon-kevitra izy fa miisa telo eo ireo orinasa matihanina amin’ny resaka bozaka amin’ny kianja filalaovam-baolina hita any Frantsa saingy any Angletera no tena misy orinasa betsaka misahana izany ka mila miara-miasa amin’izy ireny isika. Nohazavain’ny Minisitra fa tamin’io fotoana io no efa nanomboka sahady nikaroka izay orinasa hifampiraharaha amin’izay fikirakirana bozaka izay isika. Ankoatra io, nandritra ny fihaonan’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny CAF andro vitsy lasa izay dia nanapa-kevitra ny kaonfederasiona fa handefa matihanina amin’ny resaka bozaka eto Madagasikara izay efa mpiara-miasa amin’izy ireo sy ny FIFA. Handrasana amin’ity volana marsa ity ny fahatongavan’ireo matihanina ireo eto amintsika. Noho izany dia efa nametraka ny lamina handraisana ireo teknisianina ireo ny Ministera. Izy ireo no hampita fahaiza-manao amin’ny fikarakarana ny bozaka. Fantatra fa raha mahazo ny fikarakarana manaraka ny torohevitry ny matihanina dia efa-bolana ihany dia hahazoana vokatra tsara ny bozaky ny kianja.
“Ny Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna Vaovao, ary ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia manao ny hevitra rehetra izay eo am-pelatananay hahazoantsika ny fankatoavana ny Kianja Barea”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Minisitra. Notsiahiviny ihany koa fa ny Ministera dia afa-po tanteraka amin’ireo asa noentin’ny SENVH satria nanao ny ainy tsy ho zavatra izy ireo tamin’ny famaliana ireo teboka miisa 9 notakian’ny CAF mahakasika ny fanorenana kianja manaraka ny fenitra. Ireo asa ireo, hoy ny Minisitra, no tena sarotra ery efa nahazoana fahafaham-po 100% avy amin’ny CAF izany. Asa maharitra ny fanarenana mba ho lova tsara ho an’ireo taranaka am-para ka mitohy hatrany ankehitriny ny fanatsarana.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer