PolitikaSongadim-baovao

KIANJA BAREA MAHAMASINA: Handray ny fankalazana ny fetim-pirenena amin’ny 26 Jona

Nanatanteraka fitsidihana ny firosoan'ny Kianja Barea Mahamasina ny Filohan'ny Repoblika sy ny Delegasiona maromaro niara-dalana taminy, omaly. Efa Vita avokoa ny asa lehibe rehetra eo anivon'ny Kianja. Noho izany, nilaza ny Filoha fa hotanterahina eo amin'ity Kianja ity ny fankalazana ny fetim-pirenena amin'ity taona ity.

Ny 90%-n’ny asa fanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina hatreto no vita tanteraka. Afapo tanteraka tamin’ny fotodrafitrasa ny Filoha ary nanambara fa ho ampiasaina hankalazana ny fetim-pirenena ny Kianja. Tsy mbola fanokanana akory ny atao amin’io 26 Jona io. Notsindriany fa mbola hisy fotoana hafa hiarahana amin’ny Vahoaka amin’ny fanokanana. Raha ny nambaran’Andriamatoa Gerard Andriamanohisoa, Talen’ny Tetikasa Sady mpanolotsaina manokan’ny Filoham-pirenena misahana ny fotodrafitrasa, dia tombanana ho vita tanteraka ny Kianja amin’ny volana Novambra ho avy izao.

Hisokatra ny vavahady dimy amin’ny enina amin’io fetin’ny 26 Jona io. Isan’izany ny vavahady laharana voalohany eo afovoany, miditra ao amin’ny tribune, izay hidiran’ny VIP sy ny olo-manan-kaja samihafa. Eo koa ny mifanandrify amin’ny Sainte Famille, ny any akaikin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena, ary ny any akaikin’ny Kianjan’ny Kanto. Efa nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Komity miandraikitra ny fanaovana matso mahakasika ny hanatanterahana izany eo an-toerana. Tsara tsindriana fa efa nohalalahana kokoa ny faritra handehan’ireo miaramila sy fitaovana vaventy haseho rehefa vanim-potoan’ny matso, araka ny fanazavana hatrany. Efa vita “béton” ihany koa ny manodidina ny zaridaina izay andehanan’ny mpanao matso raha ilaina. Hatramin’ny 26 Jona, dia mbola ny 40%-n’ny fefy manodidina ny Kianja no vita.

Hampidi-bola

Araka ny nambaran’ny Filoham-pirenena omaly dia miavaka tanteraka amin’ny Kianja rehetra ity etsy Mahamasina ity. Ankoatra ny maha filalaovam-baolina azy tokoa mantsy dia hisy zavatra maro koa hatao ao amin’ny Faritry ny Kianja. Hisy ny toeram-pisakafoana, toeram-pivarotana, hisy koa trano fandraisam-bahiny. Izany hoe, hisy fidiram-bola ny fotodrafitrasa, ary izany dia hahafahana manao ny fikarakarana ny Kianja. “Na inona na inona ho lazaina dia hipetraka ho an’ny taranaka fara-mandimby izao fotodrafitrasa izao…. Tafiditra ao anatin’ny Velirano ny Kianja fa tsy hoe ny Kianja ihany. Mifanindran-dalana amin’izany koa ny sehatry ny Fahasalamana, ny fanabeazana, ny fampandriana fahalemana”, hoy ny Filoha.

Fermer