Fanatanjahan-tenaPolitikaSongadim-baovao
KIANJA BAREA MAHAMASINA: Toerana hiarovana ny voninahi-pirenena
Tontosa ny sabotsy 4 septambra 2021 teo ny fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina izay niarahan’ny Filoham-pirenena sy ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo. Pejy vaovao indray no misoratra eo amin’ny tantaran’i Madagasikara, hoy ny Filoha, raha nitokana izany tamin’ny fomba ofisialy. Hetsika ara-javakanto maro no niseho nandritra ny fotoana, niaraka tamin’ny lalao ara-pirahalahiana teo amin’ny Barea sy ny Klioba CFFA.
Mahamasina: Toerana manan-tantara, toerana manan-kasina ho an’ny Malagasy. Nisehoan’ny Mpanjaka tamin’ny vahoaka fahiny, fanaovan’ny Filoham-pirenena fianianana, ary eo ihany koa no ankalazana isan-taona ny fetim-pirenentsika no sady fetin’ny Foloalindahy Malagasy. Efa ampolotaonany maro no tsy nisy intsony fikitihana na fanamboarana ity Kianjan’ny Mahamasina ity. Tamin’ny fitsenanana ny Ekipam-pirenena Barea avy nanao CAN tamin’ny taona 2019, noho izany, no nanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina, ny hanamboarana ny Kianja. Nanomboka ny taona 2020 kosa ny asa, izay naharitra 20 volana, ary izao vita sy notokanana soa aman-tsara izao.
Nambaran’ny Filoha fa nandritra izay taona maro izay, dia ny Rova, ny lapan’i Manjakamiadana, no haingon’Antananarivo. Ankehitriny kosa, taorian’ny asa fanavaozana tanteraka, dia mijoro mijoalajoala ny Kianja Barea Mahamasina ary lasa famantarana vaovao an’i Madagasikara no sady ambohim-pihaonan’ny Malagasy rehetra.
“Mila manana fijery lavitra isika, mila fijery goavana isika. Ary tokony ho saro-piaro isika rehetra amin’ny fikojakojana ity fotodrafitrasa lehibe ity. Eto no kianja hiarovana ny voninahim-pirenena, eto no kianja hampiray fo, hampiray saina ny vahoaka Malagasy.” Hoy ny Filoha Andry RAJOELINA. Ny firariana, hoy hatrany ny filoha, dia ny hiray hina ny vahoaka Malagasy iray manontolo hikatsaka ny fampandrosoan’i Madagasikara.
Tsara ny fotodrafitrasa…
Tonga maro ny vahoaka nandritra ny lanonan-dehibe fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Kianja Barea Mahamasina. Hetsika ara-javakanto maro ihany koa no niseho niarahana tamin’ny mpanakanto maro sy ireo ankizy avy eny amin’ny Ivotoerana Akamasoa. Nanamarika ny fotoana ihany koa ny lalao ara-pirahalahiana nisy teo amin’ny Ekipam-pirenena Barea sy ny Klioba avy etsy Andoharanofotsy CFFA izay nivoahan’ny Barea nandresy tamin’ny isa iray no ho tsy misy. Ary namarana ny lanonana ny afomanga lehibe izay niseho teo amin’ny Kianja ihany.
Tamin’ny ankapobeny, samy niaiky ny rehetra fa tsara ny fotodrafitrasa napetraka. Sambany teo amin’ny tantaram-pirenena rahateo no nanana fotodrafitrasa goavana sady manarapenitra tahaka izao, izay hisitrahan’ny vahoaka tombontsoa satria araka ny tenin’ny Filoha dia Lapan’ny Vahoaka ity toerana ity. Na ny fidirana na ny fivoahana ny toerana dia samy nilamina sy nirindra avokoa, raha ny hetsika ny sabotsy teo no hiverenana.
Taorian’ny fitokanana tetsy Mahamasina ny sabotsy teo dia nihazo avy hatrany an’i Dar es Salaam any Tanzanie ny Ekipam-pirenena malagasy Barean’I Madagasikara. Teo am-pahatongavana dia tsy maintsy misy hatrany ny fitiliana atao an’ireo mpilalao tsirairay avy, ho fanajana ireo arifenitra ara-pahasalamana apetraky ny firenena mpandray. Taorian’ny fitiliana (TDR), mpilalaon’ny Barea iray no voalaza fa nahazo valina fitiliana miabo, araka ny fanambaran’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra (FMF). Marihana anefa fa « negatif » avokoa ny valin’ny ny Fitiliana PCR izay nataon’ireo mpilalao teny Ivato ary salama tsara avokoa ny mpilalao rehetra talohan’ny nandraisana ny fiaramanidina. Niverina nanao fitiliana PCR avokoa ny rehetra ny tolakandron’ny omaly.


