Fanatanjahan-tenaPolitikaSongadim-baovao
KIANJAN’NY BAREA MAHAMASINA: Volan’ny Fitondram-panjakana madidio no nanorenana azy
Manoloana ny resabe miely mahakasika ny fanamboarana ny Kianjan’ny Barea Mahamasina dia nitondra fanazavana ny Tomponandraikitry ny Tetikasa, fantatra fa efa madiva hifarana ihany koa ny asa ary vinavinaina hotokanana amin’ny fetim-pirenena.
Fotodrafitrasa goavana sady manara-penitra no natolotry ny Fitondram-panjakana ny tanora Malagasy mpitia fanatanjahantena indrindra fa ny tontolon’ny baolina kitra, izay nampiakatra avo dia avo ny Hambompom-pirenena tamin’ny taona 2019 nandritra ny fiadiana ny tompodakan’Afrika, dia ny Kianjan’ny Barea Mahamasina izany. Tetikasan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izay nolazain’ny tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny fandraisana ny ekipam-pirenena avy nahavita ny dingana goavana tamin’ny io fiadiana ny tompondaka ny Afrika farany teo io ity fanavaozana ny kianja ity, araka ny fanazavana nentin’ny Tompondraikitry ny tetikasa Andriamatoa Gérard Andriamanohisoa. Nambarany fa tsy misy ifandraisany velively amin’ny fandaharanasan’ny Federasionina Iraisam-pirenenan’ny Baolina Kitra FIFA amin’ny tolo-tanana eo amin’ny fanamboarana kianja ho an’ny firenena Afrikanina na FIFA Gaol akory ny tetikasa Kianjan’ny Barea. Nohamafisin’ity Tomponandraikitra ity fa volan’ny Fitondram-panjakana madidio izay tafiditra ao anatin’ny tetibola-mpanjakana 2019, 2020 ary 2021 ny fandaniana rehetra amin’ny fanatanterahana ny asa fanavaozana. Notsipihiny mazava fa mangarahara tanteraka ny tolo-bidy nahazoan’ny orinasa sinoa CCOD ity tolotr’asa ity izay efa mitentina hatrany amin’ny 77 tapitrisa dolara ny teti-bidiny. Ny sinoa no niantefan’ny safidy hoy ny tenany noho izy ireo izay azo refesina amin’ny zavabitany maneran-tany fa manana ny traikefa rehetra ahafahantsika misitraka kianja manara-penitra takian’ny fifaninanana Iraisam-pirenena.
Ho vita tsy ho ela
Adalam-pamaranana ankehitriny ny fanavaozana ny kianjan’ny Barea Mahamasina. Kianja izay heverina fa hazaka mpijery hatrany amin’ny efatra alina any ho any. Fantatra fa efa vita avokoa ny asa goavana rehetra, fa ny pitsopitsony majinika sisa no handrasana dia afaka ampiasaina tanteraka ity Fotodrafitrasa ity. Vinaina hotokanana amin’ny fetim-pirenena afaka iray volana eo ho eo ny Kianja, ity farany izay ho isan’ny kianja tsara indrindra aty amin’ny ranomasim-be Indianina. Hita taratra amin’ny endriny ety ivelany tokoa fa tena niova endrika tanteraka ny Kianja. Nanamafy izany I Alferd Adriamanampisoa Filoha Lefitry ny Federasionina Malagasy ny Baolina kitra izay nilaza sy nampahatsiahy ny tantara fa teo aloha dia isan’ireo kianja tsy zarizary indrindra taty Afrika ny kianja ben’ny Mahamasina, fa ankehitriny kosa hoy ny tenany dia afaka mirehareha isika fa manana ny kianja sangany indrindra aty amin’ny tapany Atsimon’ny Afrika. Nankasitraka sy nisaotra ny Fitondram-panjakana ihany koa ity mpitantana ny Baolina Kitra ity.
Sata (mpianatra asa)




